Socio-eco

Jean Jacques RATSIETISON : Miala avy hatrany raha tsy tanteraka ny fampanantenana


«Manao fifamatorana amin’ny vahoaka Malagasy aho. Iray vola hitsanganan’ny governemanta, hidina antsasany ny vidin’entana amin’ny andavanandro, ny solika…afaka roa taona hitondrako ny firenena, hampidina antsasany indray mandeha indray ny vidin’entana isan-karazany izay efa nidina teo aloha. Ny Malagasy rehetra no hisitraka ny fihenan’ny fidim-piainana izany ». Amin’ny alalan’ny fanafoanana ny « Marché Interbancaire de Devis » (MID ) no afahana manatanteraka izany. Foanana ny didim-panjakana navoakan’ny fitondrana Marc Ravalomanana nametraka ny MID, hoy ny mpahay toe-karena, Jean Jacques Ratsietison. Io « tsena fifanakalozan’ny banky vahiny devis eto amintsika io no fototry ny fahantrana miantraika amin’ny vahoaka 24 tapitrisa ankehitriny. Nambarany ihany koa fa efa ny 80% ny « Conseil Supérieur de la Transition »( CST ) no nanao sonia sy nankasitraka ny fanafoanana ny MID tamin’ny andron’ny tetezamita kanefa tsy notanterahan’ny fanjakana tetezamita notarihan’i Andry Rajoelina izany. Efa nanolo-tanana tamin’ity fanjakana notarihan’ny Hery Rajaonarimampianina ity koa izy ahatanteraka izany kanefa tsy nisy valiny. Noho ireo antony ireo no nandrisika azy hilatsaka ho fidin’ny vahoaka Malagasy amin’ity fifidianana ho filoham-pirenena amin’ny 7 Novambra 2018 ho avy izao. Kandida faha-10 nametraka ny antonta-taratasy teny amin’ny Fitsarana Avo momban’ny Lalam-panorenana (HCC ) izy ny 14 Aogositra 2018. Ny antoko « Fahefa-Mividy no Ilain’ny Malagasy » (FMI Malagasy) no nanolotra azy. Tsy noraisin’ny tao amin’ny mandray ny antonta-taratasy momban’ny fifidianana anefa ny taratasy fametraham-pialany raha toa ka tsy tanteraka ny fampanantenana nataony fa tany amin’ny mandray « courrier » no napetraka izany. Tena tsy azon’ireo mpandray ny antonta-taratasy ny kandida raisina mihitsy ve izany?
Ny sori-dalany raha tonga eo amin’ny fitondrana izy ny Tanindrazana, Fiandrianam-pirenena, Fahamarinana. Very ny fiandrianam-pirenena noho ny antony isan-karazany ary voalohany amin’izany ny vola Malagasy. « Tsy misy firenena lazaina fa mahaleo tena raha tsy manana ny volany izy. Tsy tompon’ny Ariary isika amin’izao fotoana izao noho ny fisian’ny MID. Eo ihany koa ny sehatra hafa hamerenana ny fiandrianam-pirenena izany toy ny fisian’ny Gasy net, Ametis, ny Adema,…», hoy hatrany izy.
Marihana fa mbola hisy ny antsapaka amin’ny laharan’ny kandida ataon’ny Vaomiera manokana mahaleo tena misahana ny fifidianana (CENI ) ao aorian’ny famohan’ny HCC ireo kandida mahafeno ny fepetra amin’ny ity fifidianana ho filoham-pirenena ho avy ity.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *