Socio-eco

FITRANDRAHANA NY HARENA AN-KIBON’NY TANY : « Win win » miaraka amin’i Mailhol


« Izay tsy manaiky zara-mitovy dia ho foanana ny taratasy fahazoan-dalana mitrandraka ny harena an-kibon’ny tany », hoy i Pasitera Mailhol nandritra ny fotoam-pivavahana ho fitondrana am-bavaka ny fifidianana sy ny tenany izay kandida amin’ny fifidianana filohampirenena. Niarahana tamin’ny fiangonana Apokalipsy eto Madagasikara (FAM) izay tarihiny ity fotoam-pivavahana ity. Ny sabotsy 11 aogositra 2018 teny amin’ny Coliseum Antsonjombe no nanatanterahana izany. Tsy raharahan’ny fiangonana Apokalipsy irery ny fifidianana filohampirenena ka nanasa ireo fiangonana zandriny sy zokiny ny FAM.

« Win win »

Nandritra ny anterivava natao an’i Mailhol Christian Dieu Donné dia nilaza izy fa amin’ny alalan’ny harena an-kibon’ny tany izay hihazakazahan’ny vahiny no hampandrosoana an’i Madagasikara. Noho izany, ho fehezin’ny fanjakana io sehatra io mba samy hahazo tombontsoa ny vahoaka Malagasy rehetra. Hiara-hiasa amin’ny vahiny avy any ivelany amin’ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany i Mailhol raha lany filohampirenena. Nanome fepetra sahady anefa izy fa tsy maintsy « win win » ny fifanarahana. Amin’izay fotoana izay samy mahazo tombontsoa na mpitrandraka na ny firenena Malagasy. Ankoatra izany, hidina ifotony ny tenany raha tonga soamantsara eo amin’ny fitondrana. Hiara-hidinika amin’ny mponina izay misy ny toeram-pitrandrahana izy ary hanontany azy ireo raha manaiky ny fitrandrahana na tsia aorian’ny fampahafantarana azy ireo ny tombontsoa ho azon’izy ireo.
Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *