politique

« PARTI LIBERAL DEMOCRATE » : Hitondra fanovana


Niampy indray ny vehivavy milaza ny ho filatsahan-kofidiana ho filoham-pirenena amin’ity taona ity. Mahatsapa ny filoha nasionalin’ny « Parti Liberal Démocrate » (PLD), Sarah Rabeharisoa fa mila fanovàna ny fomba fanaovana politika eto Madagasikara. Nanambara ny firotsahany hifaninana ho eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha izy omaly 07 Aogositra 2018 tetsy Antanimena. Tokony filoha efa niomana sy niofana ara-politika no filoham-pirenena fa tsy kisendrasendra toy ny efa nisy hatrizay. « Mahafeno ny fepetra takina amin’izany aho satria efa niomana ny hitondra ny firenena Malagasy amin’ny vinam-piaraha-monina mifanan-drify amin’ny filan’ny vahoaka », hoy izy.

Tsy maintsy oàana izao fomba fitondrana tsy ahitana fahombiazana izao mba ho any amin’ny fandrosoana ho an’ny Malagasy maro an’isa. Andraikitry ny filoham-pirenena ny miaro sy mitsinjo ny vahoaka. Tsy misy anefa izany fitsinjovana ny vahoaka izany ary tsy voavaly ny hetahetam-bahoaka maro an’isa miandrandra fahandriam-pahalemana sy fahamarinana mba ahafahany mamokatra am-pitoniana. Eo amin’ny lafiny olan’ny toe-karena kosa, ilaina ny fampiroborobaona ny fandraharana eo amin’ireo mpandraharaha madinika sy salatsalany mitondra tetikasa sy fahaiza-mamorina.
Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *