politique

KANDIDA AN’NY GFFM : Pasitera fa tsy mpanao politika


Nanatitra ny taratasy filatsahan-ko fidiana ny kandida natolotry ny antoko politika GFFM (Gideona Fandresena ny Fahantrana eto Madagasikara). Nahafeno ny fepetra takiana ity kandida handray anjara amin’ny fifidianana filohampirenena ity. Nanao ny fitafiany amin’ny maha pasitera azy i Mailhol ny 08 aogositra 2018 teny amin’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana (HCC). « Manao ity robe pastorale ity aho satria ity milatsaka ho fidiana ity dia pasitera fa tsy mpanao politika », hoy i Mailhol Christian Dieu Donné.
Fandaharan’asan’ny antoko politika GFFM ny ady amin’ny fahantrana, fametrahana ny tany tan-dalàna ary ny famerenana ny «îles éparses ». Nambaran’i Mailhol fa zavatra tsy hain’ny olombelona izany fa hain’Andriamanitra.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *