Catégorie Actus



KAOMININA AMBANIVOHITRA MAHEREZA : Hisitraka famatsian-jiro.


Kaominina ambanivohitra mbola lavitry ny herinaratra i Mahereza, Distrikan’Ambohidratrimo. Miaina ao anatin’ny aizina ny mponina. Velom-panantenana izy ireo ankehitriny, hisitraka herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina. Noho ny fiarahamiasan’ny orinasa mpamokatra fitaovana ilaina amin’ny herinaratra  Schneider Electric  sy ny  orinasa mpamatsy fitaovana mpamokatra herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro ML Stone, Continuer la lecture


GAZETY BOKY TRANDRAKA 02: Mampibaribary ny endriky ny kolikoly hita amin’ny seha-panjakana.


Mandrafitra ny gazety boky TRANDRAKA laharana faharoa ny  lahatsoratra   miisa sivy nosoratan’ireo mpanao gazety avy amin’ny faritra manerana an’i Madagasikara. Miompana amin’ny fomba fisehoan’ny kolikoly hita eny anivon’ny  seha-panjakana  isan-tsokajiny ny  fanadihadiana lalina nataon’izy ireo. Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny zoma 15 desambra 2017, teny Talatamaty  ny TRANDRAKA 02. Continuer la lecture


MARATHON INTERNATIONAL DE TANA: Niteraka fahombiazana ny fahamaroan’ny mpanohana.


Tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asan’ny federasiona an’ny  atletisma ny Marathon International de Tana (MIT). Nampiray ireo atleta avy amin’ny firenena isan-karazany. Nahazo  tombony  tamin’ny andiany faha-17 ny atleta Malagasy. Nitana ny laharana telo voalohany ny Malagasy tamin’ny hazakazaka tamin’ny halaviran-dalana  42.195 km ho an’ny sokajy lehilahy.  Nisaotra ny mpanohana ny hetsika rehetra ny World Trade Center Tana (WTCT). Continuer la lecture


Atelier onusien sur la CIDPH à Windhoek : Madagascar à l’honneur


L’UNDESA ou Département des Affaires économiques et sociales des Nations Unies, organise un atelier de renforcement de capacité des pays africains pour la mise en œuvre de la Convention Internationale relative aux Droits des Personnes Handicapées. l’UNICEF en Namibie est également responsable de cet atelier international réservé à des associations des personnes handicapées venant de différents pays d’Afrique, et à des représentants d’Etats de quelques pays africains.

Continuer la lecture


WINDHOEK – NAMIBIA : Atrikasa iraisam-pirenena momba ny fahasembanana


Nisokatra ara-pomba ofisialy ny talata 12 desambira teto Windhoek renivohitr’i Namibia ny atrikasa iraisam-pirenena eo ambany fiahian’ny Firenena-Mikambana: fampiofanana momba ny fampiarana ny fifanarahana iraisam-pirenena mikasika ny zon’ny olona manana fahasembanana. Teratany afrikana miisa 27 avy amina firenena afrikana 11, miampy ireo tompon’andraikitra mpampiofana avy amin’ny Firenena-Mikambana any New York, sy ny UNICEF avy eto Namibia no vonory eto amin’ny SAFARI HOTELS, miatrika izany hatramin’ny zoma 15 desambra 2017.

Continuer la lecture