Socio-eco

PASITERA MAILHOL: Ny mpanao politika no mampahantra fa tsy ny mpitondra fivavahana


Voatonona tao anatin’ny horonan-tsary navoakan’i Luc Hervé tao amin’ny pejy “facebook” ny anaran’ireo mpitondra fivavahana malaza eto Madagasikara. Tao anatin’izany i pasitera Mailhol. Anisan’ireo nahazo tenin-dratsy sy ompa variraraka avy amin’ity mpikirakira “facebook” ity ny tenany fa manambaka vahoaka fotsiny amin’ny fivavahana.
“Vao maika ahafantarako ny toerana misy ahy ny fanenjehana ahy sy ny fanompana ahy”, hoy ny Filoha mpanorina ny fiangonana Apokalipsy, pasitera Mailhol. Nambarany fa voalaza ao anatin’ny baiboly izay notenenin’i Luc Herve ratsy fa fahasambarana ho an’ny “mpanompon’Andriamanitra” ny fanenjehana sy ny fitenenana ratsy azy. Noho izany, tsy hitory azy aho na dia sazian’ny lalana aza izany. Mamporisika azy ary no ataoko satria porofo miantoka fa mpanompon’i Kristy tokoa matoa henjehina.
Mampahantra ny fivavahana
Fanontaniana mipetraka ao anatin’ny sain’ny maro ny hoe: “Nahoana no vao maika mahantra ny firenena Malagasy kanefa maniry ohatran’ny anana ny fisian’ny fiangonana eto Madagasikara? “ Tsy ny mpitondra fivavahana na fahamaroan’ny fiangonana no mampahantra ny vahoaka Malagasy fa ny mpitondra fanjakana. Tsy ny fiangonana no mampahantra ny ara-toekarena fa ny mpanao politika”. Raha tokony ho politikan’ny baiboly no arahin’ny mpitondra, politika mifanohitra amin’izany no ataony. Ohatra amin’izany ny politikan’ny fitiavan-tena, ny famenoana paosy, ny fitrosana vola, valifaty…”, araka ny valin-teny nomen’i Pasitera Mailhol. Nanamafy izy fa rehefa tena mivavaka ny olona iray, mihena ny halatra amin’ny lafiny rehetra sy ny famitaham-bahoaka.
Nilaza izy fa zara aza misy fivavahana ahafahan’ny Malagasy hamaha ny olany, hanasitrana ny aretiny izay tsy ataony fitondram-panjakana. Andramo hidio avokoa anie ny fiangonana rehetra e!
Nirina R.

HORONAN-TSARY


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *