Socio-eco

FJKM : Tsy afa-misaraka amin’ny tantaram-pirenena ny fiangonana


Ny volana Aogositra 2018 ny ivon’ny fankalazana ny jobily faha-50 taona ny fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM). Any Toamasina no hanantanterahina izany. Tian’ny komity mpikarakara ny faha-50 taonany FJKM sy ny ny fankalazana faha-200 taona nahatongavan’ny « London Missionary Society » (LMS) ampitaina amin’ny mpino FJKM sy ny vahoaka Malagasy fa tsy fanaovana fihetsiketsehana fotsiny ihany ny fankalazana ny jobily fa mila iainana sy ampiharina ny hevitra fonosiny. Nambaran’ny mpikambana iray ao anatin’ny birao ny komity, Pasitera Roger ANDRIAMISATA fa kendrena hisy fiantraikany amin’ny fiainam-pirenena ny fankalazana. Nanazava bebe kokoa ny momba izany ny Lehiben’ny sekoly alahady ny FJKM, Mpitandrina Fidimalala fa fotoam-panafahana ny jobily ankoatra ny maha andro firavoravoana azy. Voalaza ao anatin’ny baiboly fa fotoana fanafahana ny olona ao anatin’ny fanandevozana, famotsorana trosa na famotsoran-keloka ny jobily. Tsangambato hanamarika ny fankalazana jobily faha-50 taonany FJKM sy ny ny fankalazana faha-200 taona nahatongavan’ny LMS ny fanorenana ny trano fanofanana mpitandrina eny Ivato. Ezahina ho vitaina amin’ny famaranana ny jobily amin’ny oktobra 2018 kosa ny famaranana.
Dian-tanana
Nametraka tantara teo amin’ny firenena Malagasy ny fivavahana kristianina nentin’ireo misionera Anglisy roa, David Johns sy Thomas Bevan. Nilaza ny komity mpikarakara ny jobily faha-50 taona ny FJKM sy ny fankalazana faha-200 taona nahatongavan’ny LMS fa nampitsahatra ny fivarotana andevo tany ivelany ny fahatongavan’izy ireo. Noho ny asa misiona nataon’izy ireo, afaka nianatra ny « Abidi » ny Malagasy. Tamin’ny alalan’ny FJKM no nisian’ny sekoly voalohany nampiofana mpitsabo. Manoloana izany, « tsy azo sarahina amin’ny tantaran’i Madagasikara ny fiorenan’ny fiangonana protestanta ».


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *