Socio-eco

AFD- MFB: Tarihina hiaro ny faritra arovana ny mponina.


Vola mitentina 32 miliara Ariary entina hiarovana ireo vala-javaboahary ao amin’ny faritra DIANA. Mizara roa mazava tsara ny hampiasana ny vola. Entina hiarovana ireo faritra arovana sivy atahorana ho lany tamingana ny zava-boahary ao aminy ny ampahany amin’io vola novatsian’ny “Agence Française de Développement » (AFD) io. Hanampiana ireo tantsaha tsy hiankin-doha amin’ny fitrandrahana ny zava-boahary arovana ho asa fivelomana kosa ny ambim-bola. Tsy ny fanjakana Frantsay ihany no mamatsy vola ny tetikasa KOBABY fa mandray anjara amin’izany ihany koa fanjakana Malagasy. Araka ny fanazavan’ny Ministry ny vola sy ny teti-bola, Vonintsalama Sehonosoa ANDRIAMBOLOLONA, ny 27 miliara Ariary avy amin’ny AFD. Ny dimy miliara Ariary amin’io vola voalaza etsy ambony io kosa avy amin’ny fanjakana Malagasy.

Nosoniavina ny 18 janoary 2018 ny fifanaraham-piarahamiasa eo amin’ny AFD sy ny Ministeran’ny vola sy ny teti-bola. Niara-nanao sonia tamin’ny Tale lefitry ny AFD ny Ambasadaorin’i Frantsa miasa eto Madagasikara, Ramatoa Vouland-Aneini. Tontolo iainana no resaka eto ka anisany nanatrika izany ny Ministry ny tontolo iainana sy ny haivoary ary ny ala, Johanita NDAHIMANANJARA.

Fanenana ny tsindry
Vokatry ny tsindry ataon’ny olombelona no maharipaka ireo zava-boahary na dia ao anatin’ny faritra arovana aza. Nambaran-dRamatoa Ministry ny tontolo iainana fa ny tsy fisian’asa, mirona any amin’ny fitrandrahana ny zava-boahary ao anatin’ny faritra arovana ireo mponina mipetraka manodidina izany. “Hanampy ny tantsaha hanana fidiram-bola amin’ny sehatra hafa toy ny fambolena, ny jono, asa tanana… ity tetikasa KOBABY izay tanterahina mandritra ny dimy taona ity”, hoy ny Ambasadaoro Frantsay miasa eto Madagasikara.
Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *