Socio-eco

VIMA : Fitaovana hampandrosoana ny toe-karena Malagasy ny fihaonana tamin’ireo mpandraharaha sinoa.


Nanana fotoana nihaonana tamin’ireo mpandraharaha  tsy miankina ara-ekonomika sinoa  ireo delegasiona Malagasy niaraka tamin’ny Filoham-pirenena Hery RAJAONARIMAMPIANINA. Noho ny fihaonana  andiany faha-16 ny Forum BOAO an’i  Asia (FBA), nifanakalo hevitra ny roa tonta. Nanatrika izany ihany koa  ny Masoivohon’i  Madagasikara miasa an’i Chine sy ny China – Africa Chamber of Commerce of Wenzhou”.Entina hampivoarana ny toekarena ny firenena Malagasy sy sinoa no tanjona eto.

Tao anatin’ny  ny  fitsidihana ara-pomba ofisialy nataon’ny fanjakana Malagasy  tany Chine momban’ny fankalazana ny faha-45 fifandraisana ara-diplomatika an’i Madagasikara  sy Chine no nanaovana  izany.

Anisan’ireo delegasiona Malagasy  ny orinasa VIMA ( Vision Madagascar) izay ny PCA ny ViMa Woods, Koureich FIDAHOUSSEN  sy ny DG ny  ViMa Serv’no solontenan’ny orinasa tamin’izany.  Isaky misy fihaonana tahaka izao, tsy mitsahatra mitady ny fomba hanatanterahana  ny vinany ny VIMA dia ny fitadiavana lalana ahafahan’i Madagasikara mahazo famatsiam-bola mivantana na IDE satria heverin’ny orinasa fa anisany  fanoitra ho an’ny fampandrosoana izany.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *