Socio-eco

VISION MADAGASCAR: Nanotrona ny fahatsiarovana faha-70 taon’ny 29 martsa 1947 tany Moramanga.


Niara-nanotrona ny fotoam-dehibe ho fahatsiarovana faha-70 taon’ny tolona nataon’ireo mahery fo tany Moramanga ny mpiasa rehetra ao amin’ny orinasa VIMA Woods. Ity farany izay orinasa Malagasy tokana mitrandraka ny ala any Moramanga, manaraka ny fenitra FSCTM. Noho ny fahatsapana fa zava-dehibe tokoa ny tantara nitranga tamin’izany fotoana izany ary hisy hiatrehana ny ho avy dia anisany nametraka fehezam-boninkazo niaraka tamin’ny Filoham-pirenena Hery RAJAONARIMAMPIANINA ihany koa ny ekipan’ny Vision Madagascar (VIMA).

Isan-taona, toerana telo no hametrahana ireo fehezam-boninkazo. Anisany izany ny fasan’ny mahery fo Ampanihifana, ny tsangambaton’ny  29 Martsa 1947 ary ny tranom-bakoka ao Moramanga.

Ankoatra ny fanateram-boninkazo, nisy ihany koa  ny « carnaval, défilé, courses sur routes, podium… »

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *