Catégorie Socio-eco



FEDERASIONAN’NY SEMPAMA ANTANANARIVO: Manahy ny tsy hahatanteraka ny veliranon’ny Prezidàn’ny Repoblika


« Manamarina ny valan-dresaka nataon’ny Prezidà Rajoelina Andry  tamin’ny mpanao gazety ny tombana nataonay ». Nanao tombana ny toe-draharaha eo anivon’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena, fampianarana ara-teknika sy fampiofanana arak’asa ny federasionan’ny sendikan’ny mpampianatra mpanabe eto Madagasikara (SEMPAMA) sampana Antananarivo ka nampahafantariny tamin’ny alalan’ny tafa ho an’ny mpanao gazety izany  ny 27 janoary 2020 teny Mahamasina. Continuer la lecture


STAR sy ny Consulat de Monaco : Manavao fiaraha-miasa


Ny taona 2015 no efa niara-niasa ny Star sy ny consulat de Monaco eto Madagasikara, izay manohana ireo ankizy sahirana maro ahafahana mandrato fianarana.

 Araka ny fanambaran’ny UNICEF dia 10% amin’ireo zaza 2 tapitrisa, telo hatramin’ny enin-taona, eto Madagasikara no tafiditra kilasy famolavolana ho an’ny daholobe. 75% ireo ankizy tafiditra ao amin’ny sekoly ambaratonga fototra ary ny telo amin’ireo folo ihany no tonga eny amin’ny sekoly ambaratonga faharoa.

Continuer la lecture


GROUPE FILATEX- DERA ENERGY: Hamatsy herinaratra avy amin’ny angovo maitso ao Toamasina


Fampihenana ny saran’ny famokarana herinaratra ataon’ny Jirama.. Ho tohiny fampahafantarana tamin’ny taona 2019, ao anatin’ny tanàn-dehibe efatra nosafidian’ny vondron’orinasa Filtex sy ny orinasa kanadiana « Danish Energy Regulatory Authority »  (Dera Energy)  hanatanterahana ny tetikasa famatsiana herinaratra avy amin’ny angovo maitso i Toamasina. Continuer la lecture


Ny dian’ny mpivahiny : COREE


Mbola ny ilany atsimo atsinanan’ny kaontinanta aziatika ihany no itondrana antsika mpamaky manaraka ny Dian’ny Mpivahiny. Aorian’i Thaïlande dia Corée no hotsidihantsika. Tamy ny andron’ny Repoblika Faharoa rehefa miresaka Corée, dia Corée Avaratra izay. Ankehitriny kosa, dia ny Atsimo no resahana raha Corée no tantaraina. Continuer la lecture