Socio-eco

OPERATIONS SMILE : Hahazo fandidiana maimaim-poana ireo ankizy sahirana


 Teloambinifolo taona izao no nisian’ny OPERATION SMILE, izay nanomboka ny taona 2007 ary ny STAR no nanohana azy.

Tsy nitsahatra ny nanatona ireo mpiara-belona ihany koa ny OPERATION SMILE mba ahafahana mitsabo maimaim-poana ireo olona misy fahasembanana. Raha ny fantatra dia zaza iray teraka miaraka amin’ny fahasembanana eo amin’ny vava isaky ny telo minitra no misy maneran-tany.

Firenena maro no notetezin’ny OPERATION SMILE mba hahazoan’ireo ankizy fandidina maimaim-poana. Ireo fianakaviana sahirana tsy mahatakatra sy saram-pandidina no laharam-pahameana amin’izany. Ny OPERATION SMILE dia ONG iraisam-pirenena ao Etazonia ny foibeny.

Maherin’ny 6500 ny isan’ireo mpirotsaka an-tsitrapo miara miasa amin’izy ireo maneran-tany. Miisa 130 ny Malagasy sy vahiny mirotsaka an-tsitrapo eto Madagasikara isaky ny fandalovany eto. Maherin’ny 7400 kosa ireo zaza sy ankizy voazahan’ireo mpitsabo hatramin’ny 2007, ka ny antsasa-manila amin’izy ireo no hahazo fandidiana.

Maimaim-poana daholo nyhetsika rehatra, izay miainga amin’ny fitaterana ny marary, ny fitsaboana azy, ny sakafo, ny fandidiana sy fanafody ilainy aorian’ny fandidina. Misy ihany koa ny fanaraha-mason’ny marary herinandro aorian’ny fandidina, enim-bolana aoarian’ny fandidina. Miara-miasa betsaka amin’ny ministeran’ny fahasalamana izy ireo, 3400 eo ho eo no efa voadidy amin’izao fotoana izao.

Ny andian’ny manaraka izay hatao any Antsirabe ny volana Martsa ho avy izao dia eo amin’ny 125 eo ho eo no ho didina, ka tohizana any Toamasina izany. Antananarivo sy Mahajanga kosa no hamaranana ity hetsika ity amin’ny volana septambra.

Ireo sima sy manana lavaka amin’ny lanilany no tena hiatefan’ny antson’ny OPERATION SMILE, hoy Anjaramamy Ramamonjisoa construit manager opération smile à Madagascar.

Miora Razafindramanitra


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *