Socio-eco

LALAO BE CONNECT: 120 Go ny bonus zaraina isan-kerinandro


Anarivony ireo mpampiasa ny tolotra be connect no nahazo loka. Tao anatin’ny fito herinandro, ny 16 desambra 2019 ka hatramin’ny 02 febroary 2020 dia mpampiasa Be connect 160 isan-kerinandro no nifampizarana “connexion internet” 120 Go. Noho ny lalao “Be connect” dia nahazo 1 Go kadoa ireo nividy Be connect 1Go, 2 Go internet fanampiny  ho an’ireo  10 voalohany nanjifa ny Be connect 2Go, nahazo 5Go kadoa ny dimy voalohany nampiasa ny Be connect 5Go. Mpanjifa Be connect 10 Go miisa roa kosa nahazo 10 G fanampiny”.

Ankoatra izany, tao anatin’ny fito herinandro, mpanjifa Be connect iray isan-kerinandro no voasarika. Mpanjifa fito no tsara vintana tamin’izany ka samy nomena finday smartphone Tecno NX avy izy ireo. Natolotry ny tale ara-barotry ny Orange Madagascar, Rajaobelina Felana ny lokan’izy fito mianadahy tamin’iny herinandro lasa iny. Mbola mitohy ny fizarana kadoa, izay rehetra mividy Be connect amin’ny alalan’ny Orange Money dia avo roa heny avy hatrany ny connexion internet.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *