Catégorie Socio-eco



FANORO – Fanatsarana Ombivavy be Ronono : Mpampanaraka enti-tanana miisa 20 vita fiofanana


Vita nandritra ny volana desambra 2020 sy janoary 2021 ny fampiofanana ireo mpampanaraka enti-tanana vaovao 12 sy efa manana traikefa 8 hiasa manerana ny faritra 3 mpamokatra ronono eto Madagasikara dia Vakinankaratra, Analamanga sy Itasy.
Ny tanjon’ny fampiofanana  dia ny hanatsara ny taha-pamokarana ronono amin’ny alalan’ny fanatsarana ny taha-piterahana zanak’omby. Mpitsabo veterinera moa no nitarika ny fampiofanana izay natao tao amin’ny FIFAMANOR Andranomanelatra, Antsirabe.
Izy 12 mianadahy ireto dia voahofana ho mpanolo-tsaina ho an’ireo mpiompy sady teknisiana mahafehy ny teknolojia vaovao momban’ny fampanarahana enti-tanana.
Tsiahivina fa FIFAMANOR sy ny orinasa Socolait no mpiara-miombon’antoka ara-teknika anatin’ity tetikasa ity.
Nanagona: Miora Razafy
loharano: Tetikasa fihariana

VEHIVAVY MPANDRAHARAHA : Manampy azy ireo ahita lalam-bola ny « plateforme 50 millions des femmes africaines ont la parole »


« Tsy mandoa hetra ». Nanatrika  ny fivoriana  momba ny fizarana  ny tetikasa « 50 millions des femmes africaines ont la parole » na 50MFAP niaraka tamin’ny tomponandraikitra teo anivon’ny ministeran’ny mponina, ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy ny solentanan’ny fikambanan’ny vehivavy mpandraharaha eto amin’ny Ranomasimbe Indiana (EFOI) ny 27 janoary 2021 teny Ambohijatovo. Continuer la lecture