Socio-eco

FIKAMBANAM-BEHIVAVY « PORTE BONHEUR » : Nizara fanomezana ho an’ny mpianatra sy ny ray aman-dreny ary ny cartier mobile


Mizara fifaliana hatrany ireo fikambanam-behivavy « porte bonheur ». Anjaran’ny mpianatra sy ray aman-dreny teny amin’ny EPP Mendrikolovana indray no nahazo fanampiana avy amin’ny fikambanam-behivavy « porte bonheur » ny 25 jona 2022. PORTE BONHEUR - EPP Mendrikolovana 3«Ny hetsika ataonay toy izao dia ho fitsinjovana ny mpiara-belona, indrindra ho fampifalifaliana ny ankizy amin’zao volan’ny ankizy zao. Eo ihany koa ny fanampiana ireo ray aman-dreny amin’ny fahalafosan’ny fidim-piainana sy ny fahasairanana amin’ny andavanandro » hoy ny filohan’ny fikambanana, Randriantsoa Mireille.  Nomen’izy ireo, arendrina, vatomamy ary biscuit ireo mpianatra miisa 200 ary nahazo « panier garnie »  nahitana, vary, menaka, macaroni, sira ary arovavaorona kosa ny ray aman-drenin’ny mpianatra. Nahazo « panier garnie » koa ireo mpian-tsehatra ao amin’ny sekoly izay miisa 20. Teo ny tale sy mpiara-miasa aminy ary ireo mpampianatra.

PORTE BONHEUR - EPP Mendrikolovana 2Tsy nanadino ny « cartier mobile » eo amin’ny kaominin’Alasora miisa 40 ihany koa izy ireo izay miandraikitra ny fandriam-pahalemana. Notolaran’izy ireo kidoro an’olo-droa izy ireo. Fiara-miasa amin’ny orinasa Epsilone sy fikambanana Baobab Madagascar. « Mendrika ny homena fisaorana ireto cartier mobile ireto satria tsapa fa tsy mora ny andraikitr’izy ireo izay miasa amin’ny alina mba hisian’ny fandriam-pahalemana. Miara miasa  amin’ny mpitandro filaminana ireto cartier mobile ireto ». Misy fokontany 20 eo amin’ity kaomina ity izay hiparitahan’ireo cartie mobile ireo. Tonga nanome voninahitra ny hetsika ny ben’ny tananan’Alasora, Jimmy Randriantsoa.

Tanjon’ny fikambanana porte bonheur dia fanampiana ny mpiray tanindrazana toy ny reny sy ny zaza monina eto anivon’ny kaominin’Alasora. Efa heri-taona sy tapany no nanomboka nanao hetsika ara-tsosialy ny fikambanana. Vehivavy manana ny maha izy azy sy ny anton’asany avokoa ny mpikambana ao amin’ny fikambanana « porte bonheur » ity.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *