Socio-eco

ORANGE MADAGASCAR: Hampiroborobo ny toekarena ao Fort Dauphin sy Toliary ny Wifiber sy ny Be Connect


Manana ny tanjany ara-toekarena ny faritra Atsimo Andrefana sy Anosy raha tsy hilaza afa-tsy ny sehatry ny jono sy ny fambolena. Manoloana izany indrindra dia nitsidika an’i Fort Dauphin ny delegasionan’ny Orange Madagascar izay notarihin’ny Tale Jeneraliny, Frédéric Debord ny 22 jona 2022. Fampahafantarana ny Wifiber tamin’ireo manam-pahefana any an-toerana, mpandraharaha ara-toekarena, ny mponina no anton-dian’izy ireo tany. Tolotra internet tsy manam-petra sy haingam-pandeha ny Wifiber. Mety ho an’ny orinasa ny Wifiber Pro satria haingam-pandehana no afaka hanaovana antso sy handefasana hafatra. Misy ihany koa ny tolotra manokana ho an’ny olon-tsotra izay ahafahana manaraka tsy tapaka ireo zava-misy mandeha amin’ny “streaming” sy ahazoana haingana ireo “fichier”. Ankoatra an’i Fort Dauphin dia  efa miparitaka eto Antananarivo , any Mahajanga, Toamasina, Fianarantsoa, Sambava, Antsirabe, Nosy Be ary Antsiranana ity tolotra internet an’ny Orange ity.

Ao anatin’izay resaka internet izay hatrany dia nampahafantatra ny Be Connect Tour tany Toliary ihany koa ny ekipan’ny Orange ny 23 jona 2022. Fety natao ampahafantarana ny tolotra Be connect izy ity. Raha ny fantatra dia afaka mampiasa azy ny rehetra satria tolotra tsy misy fepetra ary misy sarany isan-karazany. Ho fampiroboroboana ny toekarena ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana sy Anosy no tanjon’ny Orange amin’ny fanapariahana ny Wifiber sy ny Be Connect.  Nandritra ny fitsidihana natao dia  niresaka tamin’ireo manam-pahefana, mpandraharaha ara-toekarena ny ekipan’ny Orange ary nihaino ny hetahetan’izy ireo ho fanatsarana sy fanitarana ny tolotra mba hifanaraka amin’ny filàn’izy ireo.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *