Socio-eco

RESEAU NAT CAP MADAGASCAR: Loharanon-karena mitondra fampandrosoana ny harena voajanahary


1% amin’ny tetibolam-panjakana ihany anefa no natokana hiarovana ny tontolo iainana eto Madagasikara kanefa mitondra fampandrosoana ara-toekarena sy sosialy ny harena voajanahary. Ho dinihana mandritra ny «Forum» andiany faharoa momba ny maha loharanon-karena ny harena voajanahary ny dingana atao hahatonga ny harena voajanahary ho fiharian-karena. Ny 30 jona sy ny 01 jolay 2022 eny amin’ny Radisson Blu Ambodivona no hanatanterahana izany. Ny làlana vaovao ho an’ny toekarena maitso mitsinjo ny hoavy manaja ny natiora manomboka any amin’ny politika, ny fandraharahana ka hatrany amin’ny famatsiambola no lohahevitra ho dinihina mandritra ny roa andro.  Ny tambazotra «Nat cap Madagascar» na Natural Capital of Madagascar no mikarakara ny hetsika. Tambazotra hivondronan’ireo sehatra miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana, mpikaroka eny amin’ny Oniversite, olon-tsotra ny «Nat cap Madagascar». Sehatra miisa 40 no mandrafitra azy amin’izao fotoana izao. Niforona taorian’ny forum andiany voalohany momba ny maha loharanon-karena ny harena voajanahary izy ity. Ho fanamorana ny fihaonana, fifanankalozan-kevitra fa indrindra ny fizarana fomba fanao tsara  eo amin’ny samy mpisehatra amin’ny  lafiny harena voajanahary ny «Nat cap Madagascar». Miara-mitarika ny tambazotra ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, ny vondron’orinasa Axian, tetikasa Usaid Hay Tao sy ny WWF.

Harena azo tsapain-tanana

Tanjona amin’ity andiany faharoa ity ny fanohanana ny fanomezan-danja ny harena voajanahary sy ny fampidirana azy ao anatin’ny politikam-panjakana sy ny fampiasam-bola amin’ny sehatry ny toekarena maitso. «Fampahafantarana ny maha loharanon-karena ny harena voajanahary no tanjona tamin’ny forum andiany voalohany. Zava-kendrena amin’ity andiany faharoa ity  kosa dia ho raisin’ny mpitondra ho fototra sy  fitaovana ahafahana mampandroso ny toekarena ny harena voajanahary  fa tsy  arovana fotsiny fa hihariana harena», hoy Ratsifandrihamanana Nanie, talen’ny WWF nandritra valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny 28 jona 2022 teny Ambodivona. Nambaran’ny tale jeneralin’ny fampandrosoana lovainjafy, Rabenandrianina Rivoson ihany koa fa andeha lavidavitra kokoa ity andiany faharoa ity. Ho resahana ao anatin’izany ny dingana ahafahana manatanteraka  fa fototra fampandrosoana ny harena voajanahary ary hitondra harena azo tsapain-tanana ara-toekarena sy sosialy fa tsy ara-ekolojika fotsiny, araka ny fanazavany hatrany. Nilaza ireo mpikambana ao amin’ny «Nat Cap Madagascar » fa ahafahana manao izany dia  tsy maintsy mandray andraikitra ny fanjakana, ny sehatra tsy miankina izay mampandeha ny toekarena ary ny mpisehatra amin’ny famatsiam-bola. « Ireo sehatra telo ireo no ezahina ampiraisina amin’ity forum ity, mba hahaizany mifankahazo kokoa, hijery hevitra vaovao, fomba fanao vaovao, hevitra ahafahana manatanteraka izany», hoy hatrany Ratsifandrihamanana Nanie. Hamoaka tondrozotra ny mpandray anjara aorian’ny fihaonana.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *