Manome tantsoroka eo amin’ny sehatry ny fiompiana ny MPE na « Malagasy Professionnels de l’Elevage ». Ho fanamafisana ny fampiroboroboana io sehatra io dia isan-taona dia misy ny tsenaben’ny fiompiana sy ny vokatra azo avy aminy. Ity ivon-toeran’ity no mikarakara izany. Nanomboka ny alarobia 18 May teo ny FEPA andiany faha-9 ary amin’ny alahady ho avy izao vao hifarana. Continuer la lecture
Catégorie Socio-eco
GIZ: Mampivelatra ny seham-pihariana amin’ny fiompiana osy sy tantely.
Anterivava :
Mandray anjara amin’ny tsenaben’ny fiompiana sy ny vokatra azo avy aminy (FEPA) ny GIZ sy ireo mpiara-miasa aminy. Ny vokatra azo avy amin’ny osy sy ny tantely no hatolon’izy ireo ho an’ny mpanjifa mandritra ny dimy andro. Continuer la lecture
FANAKATONANA TRANO FIVAROTANA HANI-MASAKA TENY ANDROHIBE ANALAMAHITSY
Ho fampiharana ny «Arrêté Municipal n° 404- CUA/ CAB. 16 portant fermeture d’une construction métallique érigée sur une intersection sise à Androhibe appartenant à Mme IARIFENO Rose Vatosoa», dia niroso tamin’ny fanakatonana ity trano ity ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo androany faha 19 Mey 2016. Nanatanteraka izany Lehiben’ny Boriboritany Fahadimy RAKOTO Emmanuel Richard sy ireo mpiara-miasa aminy ary ny Maitre RASOAMANANA Nicolas, vadintany.
May ny « tsena tsiafahy » ao Isotry: Tonga teny Ravalomanana Lalao
Nijery ireo mpivarotra traboina teny amin’ny Tsenan’ny Kianja Andrianjaka teny Isotry ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana sy ny vadiny Marc Ravalomanana Continuer la lecture
PAOLO EMILIO RAHOLINARIVO, « Misy namana miteny amin’ny teny tsy fantatra any amin’ny AFO Syndicale. »
Manana ny hasiny sy ny toerana misy azy ny « administrateur civil » eto amin’ny firenena na teo aloha izany indrindra ankehitriny. Manamafy izany ny fitokisan’ny filohan’ny repoblika azy ireo ka nanendreny ny praminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier izay « administrateur civil ». « Natao hanampy izay fanjakana misy izy ireo fa tsy natao hanongam-panjakana », hoy Paolo Emilio RAHOLINARIVO SOLONAVALONA, administrateur civil. Continuer la lecture
PEARLS GOLF CHAMPIONSHIP 2016 : Hanomboka amin’ny 14 May any Nosy-be Hell ville.
Hanomboka amin’ny Sabotsy ho avy izao ny fifaninanana « pearls golf championship 2016» izay ho tanterahana any Nosy-be amin’ity taona ity. Firenena maro no andray anjara amin’izany ankoatra ny Malagasy, toy ny Italiana, Frantsay, Anglisy… Continuer la lecture
« HIFATRATRA ANY AMIN’NY FILOHA NY KOLIKOLY ATAON’NY MANODIDINA AZY RAHA TSY MANAFAY IZY ».
Nahomby ny famoriana ireo tomponandraikitry ny fikambanana sendikaly isan-karazany, ireo hery velona rehetra manerana Nosy, … nataon’ny AFO Syndicale. Namaly ny antso ihany koa ireo mpanao politika manohana ny fitakian’ity farany dia ny fanerena ny Filohan’ny Repoblika hanagadra sy hanafay ireo olona ambony ao amin’ny fitondrana ankehitriny. Continuer la lecture
GADRAO IREO MPANAO KOLIKOLY…. !
Naresaka tato hato ny fiakaran’ny feo mikasika ireo mpanao kolikoly ao amin’ny mpitondra ambony. Anisany mitaky fanagadrana ireo mpanao kolikoly ny AFO SYNDICALE. Mangataka sy nanao antso ho an’ny filohan’ny repoblika izy ireo hanagadra ireo namany sy ireo manodidina azy izay manao kolikoly raha tena ray aman-dren’ny vahoaka rehetra izy, hoy Doudou RATOLOJANAHARY, ao amin’ny AFO SYNDICALE sady « administrateur civil ». « Raha tsy manao izany kosa izy, takina ny fialany eo amin’ny toerany ». Continuer la lecture
Ambohijatovo : Manazava ny CUA
Manodidina ny resaka tsy mitovy momba ny toerana hanamarihan’ireo sendika ny voalohan’ny volana may, fetin’ny asa dia mitondra fanamarihana ny kaominina an’Antananarivo fa fahazoan-dalana tokana ihany no navoakany ho an’ireo mpitarika sendika.
Ity ny fanazavana omen’ny Talen’ny Kabinetra RAKOTOARIVONY Jean Pierre izao.
Andro eran-tany momba ny ny boky sy zon’ny mpamorona : VOVONAMBEN’NY ROHIN’NY BOKY
Ankoatra ny fankalazana ny Andro eran-tany momba ny boky sy zon’ny mpamorona izay nomarihina tamy varotra fampisehoana teo Antaninarenina, dia notanterahana teo amy ny efitrano Rabesahala Gisèle Tranombokim-pirenena etsy Ampefiloha ny “Vovonamben’ny rohin’ny boky”. Ny Federasion’ny Mpikanto Teny sy Soratra (FMTS) teo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Kolontsaina sy Asatanana no nanatontosa izany ny zoma 22 avrily 2016. Continuer la lecture





















