Socio-eco

FEPA ANDIANY FAHA-9: « Fiompiana, tosika ara-toekarenan’i Madagasikara ».


Manome tantsoroka eo amin’ny sehatry ny fiompiana ny MPE na « Malagasy Professionnels de l’Elevage ». Ho fanamafisana ny  fampiroboroboana io sehatra io dia isan-taona dia misy ny tsenaben’ny fiompiana sy ny vokatra azo avy aminy. Ity ivon-toeran’ity no mikarakara izany. Nanomboka ny alarobia 18 May teo ny FEPA andiany faha-9 ary amin’ny alahady ho avy izao  vao hifarana.

« Fiompiana, tosika ara-toekarenan’i Madagasikara ». Io no lohahevitra noraisina tamin’ity andiany 2016 ity. Ankoatra ny fiompiana sy ny vokatra azo avy aminy, ho hita eny Nanisana karazana fitaovana ilaina amin’ny fiompiana. Hisy ihany koa ny fampizarana traikefa amin’ny alalan’ny adi-hevitra sy famelabelarana.

 Marihina fa 80 ny mpandray anjara ka 115 eo ny trano heva mandravaka ny foara.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *