Ho fampiharana ny «Arrêté Municipal n° 404- CUA/ CAB. 16 portant fermeture d’une construction métallique érigée sur une intersection sise à Androhibe appartenant à Mme IARIFENO Rose Vatosoa», dia niroso tamin’ny fanakatonana ity trano ity ny fiadidiana ny tanà nan’Antananarivo androany faha 19 Mey 2016. Nanatanteraka izany Lehiben’ny Boriboritany Fahadimy RAKOTO Emmanuel Richard sy ireo mpiara-miasa aminy ary ny Maitre RASOAMANANA Nicolas, vadintany.
Trano fivarotana hani-masaka ity trano ity, miorina eo amin’ny tanin’ny Kaominina eny Androhibe Analamahitsy (Face Station GALANA), ary tokony  tsy ho azo ivarotana noho izy tafiditra ao anatin’ny lalana fampiasan’ny daholobe (emprise de voie publique).
Tamin’ny volana Desambra 2015 no efa nahazo fampiomanana ny tompon’ny trano ny amin’ny tokony hialà na  amin’ny toerana, ankoatra  ireo fifampiresahana,   ka izao niafara tamin’ny fanakatonana izao. Noho ny fizirizirian’ny tompon’ny trano dia  efa noesorina taminy koa ny fahazoan- dalana mivarotra, andro vitsy lasa izay.
Manentana ireo mpivarotra hatrany ny Kaominina Antananarivo-Renivohitra mba hiditra any anatin’ny tsena ho fiaraha-mientana amin’ny fanadiovana sy fandaminana ny tanà na.