Socio-eco

KANTO SY ASASORATRA Ny Eja: mibirioka ny fiarahamonina


Nandritra ny hateloana tetsy amy Tahala Rarihasina no nanehoan’i Nomenjanahary Eugénie, fantatra amy solon’anarana hoe Ny Eja, ny sanganasany eo amy sehatry ny kanto sy asasoratra. Mibirioka ny fiarahamonina hoy Ny Eja. Anterivava.

Délire Mada: Inona Ny Eja ity hetsika eto amy Tahala Rarihasina ity ?

Delire Ny Eja11Ny Eja (NE): “Ny hetsika eto amy Tahala dia fampirantiana varotra ny sanganasa nataoko nandritra izay fotoana maro izay. Mpanoratra tononkira aho, mpanoratra tononkalo, mpitantara angano, manao kilalaontsaina ho an’ny ankizy, ary manoratra tantara amy radio ihany koa. Mpikirakira literatiora izany raha izay no mahalaza azy, ary anisan’ny tena mahafinaritra ahy izay zavatra izay.”

DM: Tazana ao ivelany “mipaingotra” amy fampisehoanao ny Focus Development. Miresaka “apatrides” angaha ianao ato?

NY: ”Tsy miresaka “apatrides” aho ato fa mpiara-miasa amiko kosa ny Focus Development. Izany hoe nanao tantara miresaka ny “apatrides” aho. Izay fiaraha-miasa nataoko taminy izay no antom-pisian-dry zareo eto. Mifanohana amy ny asa izay ataoko ry zareo. Eto koa moa ny fikambanana Mamelomaso satria ny tenako koa dia Mamelomaso, dia manao fampirantiana eto koa io fikambanana misy ahy io.”

DM: Mba azonao hazavaina ve ny dikan’ny solonanarana hoe Ny Eja?

Delire Ny Eja12NE: “Ny Eja dia misy dikany hoe anjara, Ny Eja ihany koa dia hoe ny haingo sy ny hatsarana. Dia izay hevitra izay no entiko ahafantarana ahy eo amy sahan’ny zavakanto. Ny haingon’ny teny malagasy nomena ny hatsarana kanto indrindra no ventesiko amy sanganasako.”

DM: Manana hafatra mandrakariva apetraka ianareo poety?

NE: ”Ny rafim-piarahamonina taloha dia voafehin’ny ntaolo. Satria teo ireo ohabolana sy teny izay nitaizana ny fiarahamonina. Raha mahatsapa isika amin’izao fotoana izao dia somary tsy voatanan’ny mpitantanta azy ny rafim-piarahamonina ankehitriny, satria nahoana? Tsy fantatro na ny fandrosoana na ny fanatontoloina na inona… fa ny hevitra mba atolotra izany dia izao: omeo sehatra izahay poety, omeo sehatra izahay hitondra ny teninay amin’ireny “panneaux” ngezabe ireny mba hampisaintsaina ny olona, hampiverina ny olona ao anaty fahendrena. Satria izahay poety dia manan-kolazaina, be dia be ny poety izay manana teny fahendrena karazan’ny hoe hasolo ny ntaolo taloha na ireny ohabolana ireny. Ka sao dia mba izay indray no vahaolana entina hanasoavana ny tanindrazana. Satria hita fa ny lesoka amin’izao fotoana izao dia somary mibirioka kely izay ilay fiarahamonina. Izay no mba hafatra kely ampitaiko.”

Amterivavan-dRazaka Oliva


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *