Manana vina hamolavola lalàna mifanandrify amin’ny fahazoana loharanom-baovao ny ministeran’ny serasera sy fifandraisana amin’ny andrim-panjakana. Continuer la lecture
Catégorie Socio-eco
FIZAFATO: Hitotorebika eny amin’ny ANS Ampefiloha
Zanak’i Toliara avy eto Antananarivo sy any amin’ny faritra maherin’ny 3000 no handrasana ho avy amin’ny fihaonamben’ny FIZAFATO rahampitso 28 jolay 2018. Ho fanamarihana ny fankalazana ny faha-40 taonan’ny fikambanan’ny zanaka ampielezan’ny faritany Toliara na FIZAFATO ity lanonana hotanterahina etsy amin’ny kianjan’ny ANS Ampefiloha ity, hoy ny birao nasionaly sy ny komity mpanomana ny fankalazana. Hanomboka amin’ny 10 ora maraina ny fety ka hifandimby hanafàna izany ireo mpanankato zanak’i Toliara. Hisy ny fizaràna nofon-kena mitam-pihavanana satria omby folo no hovonoina amin’io fotoana io.
Tolo-kevitra
Ny taona 1978 no nitsangana ny FIZAFATO. Fanabeazana ny olona hahay hifanampy no fototra ijoroan’ny fikambanana. Manoloana izany, miezaka hatrany ny FIZAFATO mitondra ny heviny eo anivon’ny fitondram-panjakana mba hampandrosoana ny faritra Atsimo. “Tsy miady amin’ny fanjakana izahay fa mangataka na mandroso hevitra kosa mba hahamety kokoa ny faritr’i Toliara”, hoy ny filoha nasionalin’ny fikambanana, Maharante Jean de Dieu nandritra ny valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety androany 27 jolay 2018. Hevitra efa naroso ny fanajanonana ny fitaterana rano amin’ny alalan’ny kamiô. Ny fampiasana ny “pipeline” hitarihana ny rano no vahaolana hitan’ny fikambanana hamahana ny olan’ny tsy fisian-drano any Atsimo.
OLONA VOAN’NY SIDA: Mitombo isaky ny telo minitra
Tanora miisa telopolo isaky ny ora iray no tratry ny tsimok’aretina VIH/SIDA ny taona 2017, araka ny tatitra nataon’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny zaza sy ny vehivavy (UNICEF). Continuer la lecture
PAOSITRA ATY AFRIKA: Lany andro ny fitsipika
Voalohany i Madagasikara no mampiantrano fivoriana iraisam-pirenena momba ny paositra. Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fivoriana tsy ara-potoana faha-dimy momba ny « conférence des plénipotentiaires de l’Union Panafricaine des Postes (UPAP) ny filohampirenena Malagasy Hery Rajaonarimampianina omaly 26 jolay 2018 teny amin’ny CCI Ivato. Continuer la lecture
DAVIDA MAITSO KELY: Tafiala tao an-davaky ny liona
Nanazava ny antony nialàny tao amin’ny antoko politika HVM ny ministry fanabeazam-pirenena teo aloha, Paul Rabary. “Efa feno ny fepetra ka tsy mitovy hevitra intsony”, hoy i Paul Rabary nandritra ny valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety ny 25 jolay 2018. Continuer la lecture
TRONDRO AN-DRANOMAMY: Miroso amin’ny matihanina ireo mpivarotra
Zava-dehibe eo amin’ny sakafo ny fahadiovana manomboka eny amin’ny fakàna azy ka hatrany amin’ny fivarotana azy toy ny trondro an-dranomamy. Noho izany mendrika ny trondro madio ny mpanjifa. Continuer la lecture
« Solidarité et Action des Intellectuels pour Notre Avenir » : Manohana an’i Pasitera Mailhol
Nahita ny tetikasan’i Pasitera Mailhol ny « Solidarité et Action des Intellectuels pour Notre Avenir » (SAINA). Hitan’izy ireo fa ity Pasitera ity no afaka hanome vahaolana maharitra amin’ireo fitakiana isan-karazany ataon’ny sedikan’ny mpampianatra sy ny mpanabe. Continuer la lecture
« The Creative Life » : Roa ny nahazo loka
Maro ny lalao azo natao nandritra iny fifaninana baolina kitra maneran-tany iny. Anisan’ireo nikarakara lalao ho an’ny mpanjifa ny fahitalavitra « The Creative Life » ( TCL ) ny «Uditec» . Continuer la lecture
TAMBOHOBE: “Tapa-tenda ny ray aman-dreny”
Feno 15 taona ny fikambanana Tambohobe na Tanora Mbola Ho Beazina. Ho fanamarihana izany tsingerin-taona niforonany izany dia mikarakara lalao “rugby” ravahina fampisehoana vakisôva ny fikambanana. Ny ady amin’ny herisetra atao amin’ny ankizy, amin’ny tanora, amin’ny vehivavy no fototra nijoroan’ny fikambanana nanomboka tamin’ny taona 2002 ka hatramin’izao. Raha ny tantara, niainga teny amin’ny fokontany Andraisoro, boriborin-tany faha-dimy no niforonan’ny Tambohobe. Faritra mena amin’ny lafiny herisetra io fokontany io. “Ny fanolanana ankizy sy tovovavy no tena mpitranga teny an-toerana”, hoy ny filohan’ny fikambanana, Willy Rabenjamina. Lalao baolina lavalava roa lehibe no hitranga ny 29 jolay 2018. Ny 17 aogositra 2018 kosa ny fotoam-pivavahana. Eny amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny famaranana ny fankalazana, ny 02 septambra 2018.
Vakisôva
Nijoro ny fikambanana hiady amin’ny herisetra amin’ny lafiny rehetra. Amin’ny alalan’ny fampidirana ny zaza sahirana an-tsekoly no andraikitra noraisin’ny fikambanana. Ankoatra izany, namelomaso ny “vakisôva” ny Tambohobe. Amin’ny alalan’ity zava-kanto ity no hanabeazana ny tanora. “Sady fampatsiahivina ny kolontsaina sy ny soatoavina Malagasy ny vakisôva amin’ny maha gazety an-kira azy”, hoy ny sekretera jeneralin’ny Tambohobe, Rivoson Théogène. Nambaran’i Myriam, ramatoa mpiangaly ny sôva fa fanaovana ampamoaka ny zava-misy amin’ny alalan’ny hira ny vakisôva. Fitaovana iray hananarana ny ankizy sy ny tanora ihany koa ity zava-kanto ity. “Noho ny fahasahirana mianjady amin’ny tokantrano dia ny zanaka indray no mibaiko ny ray aman-dreny. Tapa-tenda ny ray aman-dreny raha mananatra ny zanany. Raha mba manam-bola kely ny zanaka dia izy no maniraka ny ray aman-dreny. Mifanohitra amin’ny soatoavina Malagasy anefa izany satria natao hanaja ny ray aman-dreny ny zanaka”, hoy i Myriam. Miompana amin’ny ady amin’ny herisetra sy hampiroboroboana ny soatoavina Malagasy ny fanamarihana ny fankalazana ny faha-15 taona ny Tambohobe.
Lynda A.
Fifanankolazana ara-barotra: Hohamafisina mandritra ny FEIOI
Mpisehatra miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana miasa amin’ny tontolon’ny varotra mahery ny 200 handray anjara amin’ny « forum économique des îles de l’Océan Indien » (FEIOI). Continuer la lecture





















