Socio-eco

TIC BUS : Hampihena ny elanelana amin’ny samy Malagasy


Hametrahana TIC Bus ireo tanan-dehibe rehetra eto Madagasikara. Ao anatin’ny vinan’ny ministeran’ny paositra, ny fifandraisan-davitra ary ny fampivoarana ny haitao ara-kajy mirindra (MPTDN) ny hanampiana ny Malagasy tsy ankanavaka  mba  hampiasa ny « connexion internet » sy hahay hifehy ireo fitaovana nomerika. Ho fanatanterahana izany vina izany dia nanolo-tanana ny ministera ny orinasa Orange eto Madagasikara. Niroso tamin’ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa ny ministry ny ny fifandraisan-davitra ary ny fampivoarana ny haitao ara-kajy mirindra, Maharante Jean de Dieu sy  ny tale mpisolo toerana an’ny Orange Madagasikara, Benja Arson ny 06 aogositra 2018  teny amin’ny Tour Ankorondrano.

Entina hampihenana ny elanelana amin’ny samy  Malagasy manoloana ny fifehezana ny fitaovana nomerika no tanjon’ity fiarahamiasa ity. Hanolotra fitaovana mampandeha ny « connexion internet » ho an’ireo « bus » ny Orange. Maimaim-poana ny « connexion internet » amin’izao fotoana izay.  Hampianatra ny mponina hifehy ny nomerika amin’ny alalan’ny fanentanana ihany koa ny orinasa. Tafiditra ao anatin’ity fandaharan’asa ity ihany koa  ny « #supercodeurs ». Natao ho an’ny zazavavy sy zazalahy 9 ka hatramin’ny 14 taona ity fandaharan’asa ity. Fomba iray ahafahana mampianatra azy ireo ny « codage informatique » amin’ny fomba tsotra ao anatin’ny atrik’asa iarahana amin’ny  « coach » avy ao amin’ny Orange ny « #supercodeurs ».

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *