Notanterahana ny 03 Oktobra 2024 tetsy Anosy ny fakan-kevitra fahadimy momba ny fiomanana nasionaly amin’ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fihaonambe iraisam-pirenena momba ny Fiarovana ny zavaboahary, ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro ary ny firosoan-ko tany hay na koa hoe « fifanarahana iraisam-pirenena telon’i Rio ». Continuer la lecture
Auteur R Nirina
FANANANTANY: “Hivoaka ato ho ato ny lalàna momba ny fiarovana ny zo fananantanim-pokonolona”
Tandindomin-doza ny fananantanim-pokonolona eto Madagasikara noho ny tsy fisian’ny lalàna miaro azy. Continuer la lecture
TSIAZOMPANIRY : Misy olona milaza ho tompony ny ampahany tany amin’ny faritra arovana tantan’ny VOI
Nosazian’ny fitsarana ambony Antananarivo tamin’ny didy nivoaka ny 17 Aogositra 2022 mandroaka an’ny Fikambanana TSARAFARA, ny Vondron’Olona Ifotony (VOI) mitantana ny ala eny TSiazompaniry sy handoha honitra 10.000.000 ariary ho an’ny olon-tokana izay milaza fa tompon’ny ampahan-tany 30 ha. Continuer la lecture
COOPERATIVA AGRO-BUSINESS MADAGASCAR: Hifanohana ny mpadraharaha malagasy
Mamporisika ny tanora handraharaha. Fanondranana ihany ny vahaolana amin’ny fanarenana ny fitonganan’ny vola malagasy, hoy Ny Rado Rafalimanana, filohan’ny ONG Ny FMO ( Ny Fanahy Maha-Olona). Continuer la lecture
TSENAN’NY KARBAONINA : Mila mahafantatra ny zony sy ny tombontsoany amin’izany ireo fokonolona sy “mponina hafa fomba fiaina”
Anisany mitahiry etona karbaonina be indrindra eto Afrika sy manerana an’izao tontolo izao ny tanin’ireo « mponina hafa fomba fiaina » na « peuples autochtones » (PAs) sy fokonolona na vondron’olona ifotony (Communautés Locales na CLs), araka ny fikarohana nataon’ny Right and Ressources Initiatives (RRI) na fivondronamben’ny fikambanan’ny CLs sy PAs ary ireo taranaka afrikanina. Continuer la lecture
DIDIM-PANJAKANA MECIE : Havaozina hifanaraka amin’ny zavamisy ankehitriny
Ny taona 2004 no navaozina farany. Ilaina ny fanavaozana ny didim-panjakana MECIE (Le décret relatif à Mise en Compatibilité des Investissements avec l’Environnement) hifanaraka amin’ny amin’ny zavamisy ankehitriny, toy ny famatsiam-bola eto Madagasikara, ny tetikasa… Continuer la lecture
TETIKASA « ART ET BIODIVERSITE » : Fanehoana amin’ny fomba hafa ny fiarovana ny tontolo iainana
Andiany fahatelo ity « art et biodiversité » tamin’ity taona 2024 ity. Nampahafantarina ny 02 Oktobra 2023 teny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo ireo tetikasa telo momba ny « art et biodiversité » nokarakarain’ny FAPBM (Fondation pour les Aires Protégées et la Biodiversité de Madagascar) sy ny Teinturerie Association d’artiste. Continuer la lecture
ZO SY FAHASALAMANA ARA-PANANAHANA: Mitaky ny hanafainganana ny fankatoavana ny “Protocole de Maputo” ny CNFM
“Tsy mbola voahaja ny zo ara-pananahana eto Madagasikara ary tandindomin-doza ny fahasalamana ara-pananahan’ny vehivavy”, hoy i Andriamasy Estelle, Filohan’ny Conseil National des Femmes de Madagascar (CNFM). Continuer la lecture
POESAM 2024: Hanamora fampanan’asa ireo mpianatra nandalina ny informatika ny tetikasa Kante Company
Tsy an’asa ny 48,5% ny mpianatra nivoaka tamin’ny lalam-piofanana informatika noho ny tsy fahampian’ny traikefa. Continuer la lecture
FIDIRAN’NY MPIANATRA: Nitondra fanampiana ho an’ny mpianatra, ray aman-drenin’ny mpianatra sy mpampianatra miisa 600 ny fikambanana Porte Bonheur
Teny amin’ny EPP Mahatsinjo Alasora indray ny fikambanana Porte Bonheur no nizara hafaliana sy hasambarana. Continuer la lecture











