Varavarana misokatra ahazoana ny tsimokaretina VIH/SIDA ny fandraisana zavamahadomelina amin’ny alalan’ny tsindrona , fa indrindra ny fitaovana tsy voadio. Anisan’ireo fikambanana manampy ireo olona mitsindrona zavamahadomelina iala amin’izany sy miady amin’ny VIH/SIDA ny fikambanana AINGA/ AIDES. Zazalahy 8 taona no zandriny indrindra amin’ireo olona 1580 mitsindrona zava-mahadomelina raisin’ny fikambanana an-tanana. 80 mahery amin’ireo no voatily fa mitondra ny tsimokaretina VIH/SIDA ary efa manaraka fitsaboana. Mikarakara hetsika mitondra ny lohahevitra hoe : “JITA KYO EI sans RORO 2024” ny Hakudokan Judo Club ho fanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taonan’ny klioba sy ho fandraisana anjara amin’ny fitaizana ny tanora sy ady atao amin’ny zavamahadomelina “roro”. Ny 1 desambra 2024 no hanatanterahana izany. Ao anatin’ny fandaharam-potoana ny fanentanana ny ady amin’ny “roro” sy ny VIH/SIDA. Aorian’izay ny fampahafantarana ny taranja judo sy ny lanonana fankalazana ny faha-25 taonan’ny klioba. Eo amin’ny Kianja Mitafo Mahamasina no hanatontosana izany, amin’ny 9 ora maraina. Hamarika ny tapak’andro marainan’ny 1 desambra ihany koa ny fifaninanana hazakazaka manodidina farihin’Anosy sy Mahamasina. Manampy ny klioba amin’ny fanantanterahina ny hetsika ny Ministeran’ny fanantanjahantena sy ny tanora (MJS), ny federasionan’ny Judo eto Madagasikara sy ny ligin’Analamanga ny Judo, ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ny fikambanana AINGA/AIDES, ny komitim-pirenena miady amin’ny SIDA eto Madagasikara (SE/CNLS), ny oniversité HPI MASCA Sabotsy Namehana sy ny maro tsy voatanisa.
“Tsy fanatanjahantena ihany ny judo fa sehatra fitazaina ny tanora ihany koa”, hoy i Maitre Mamy Rasolondraibe, Mpanorina ny Hakudokan Judo Club, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, nampahafantarana ny hetsika”JITA KYO EI sans RORO 2024”, ny 28 novambra 2024, teny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanantanjahantena Mahamasina. Manamafy izy fa ankoatra maha fanatanjahatena ny judo dia ampianarina momba ny fampivoarana ara-tsaina, ara-batana sy ny fampiasana ny teknika, amin’ny maha “art” ny judo, ny ankizy sy tanora. Soatoavina valo (08) no ampianarina azy ireo, toy ny fanajana, fahasahiana,fahalalam-pomba, finamanana, fanetren-tena… Nilaza i Maitre Mamy Rasolondraibe fa “miara-miasa mahazo fahombiazana” no dikan’ny JITA KYO EI ary nosokajian’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny fanabeazana sy ny kolontsaina (UNESCO) ho fanatanjahantena voalohany mitaiza ny ankizy sy ny tanora ny judo. Andro manerantany amin’ny ady atao amin’ny SIDA ny daty hanaovana JITA KYO EI. Nambaran’ i Ranaivoarimanana José, avy ao amin’ny SE/CNLS fa efa mihanaka be ny VIH/SIDA, indrindra eo amin’ny tanora eto Madagasikara ary mampatahotra ny zava-misy raha tsy mitandrina sy miara-mientana. Raha ny fivoriana niarahan’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka niaraka tamin’ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola (PTF), ny volana oktobra 2024 dia niakatra ho 19.407 ny olona voatily fa mitondra ny VIH/SIDA ny taona 2024 raha toa ka 17.073 izany ny taona 2023.
Lynda A./ Ra-Nirina