Be dia be ny vola mivoaka raha tratry ny “cyberattaque” ny olona iray na orinasa na rafitra na fanjakana. Vao maika mitombo ny ambana hisian’izany noho ny fivoaran’ny teknolojia vaovao. Ao anatin’ny “cyberattaque” ny halatra na fandrobana antontam-baovao (mety ho tsiambaratelon’ny tafika na diplomasia na indostria na olona manokana na banky) na fanimbana ny fizotry ny “système d’information”. 83 % -n’ny rafitra manerantany dia tratry ny “cyberattaque” ny taona 2023, araka ny famelabelaran-kevitra nataon’ny FTHM Consulting, orinasa eto Madagasikara, misehatra amin’ny fanomezana torohevitra (cabinet de conseil certifié ISO 9001) niarahana tamin’ny Cyberconsult, misehatra amin’ny fanaovana “audit des systèmes d’informations”, natao ny alarobia 27 novambra 2024, teny amin’ny Gare Soarano. Mitentina 4,45 tapitrisa dolara ny tombam-bidin’ny fandrombana “données” ary ny 60 % ny orinasa mikatona ny 60 % ny orinasa madinika enim-bolana aorian’ny “cyberattque”, araka ny fanazavan’i Hervé Caille, Mpanorina sy Filoha Tale Jeneralin’ny CyberConsult. Mitana ny laharana voalohany amin’ny firenena nahitana cyberattaque be indrindra (43 %) i Chine ny telovolana faharoa ny 2014, araka ny fandihadiana nataon’ny orinasa amerikanina Akamai Technologies. Manaraka azy i Indonesie ary fahatelo i Etazonia. Tsy mbola miparitaka be eto Afrika ny “cyberattaque” fa mbola ao anatin’ny ambana faharoa no misy azy satria vao miampita any amin’ny fampiasana ny nomerika , raha ny fanazavan’i Mahery Rabarison, Manager ao amin’ny FTHM Consulting. Nambarany anefa fa zavadehibe ny fisorohana izany satria betsaka kokoa vola mivoaka na ny fatiantoka raha tratry ny “cyberattaque”. Izany indrindra no antony nikarakaran’ny FTHM Consulting sy ny CYberConsult ny famelabelaran-kevitra momba ny “cybersécurité” mba hanampiana ny orinasa na rafitra na olona hisoroka sy hiatrika ny ambana momba “fanafihana an’habaka” na halatra na fanimbana na fiparitahan’ny antontam-baovao. “Ny olona rehetra dia afaka mi-piraté zavatra daholo, ao anatin’ny Intelligence Artificielle. Tena manan-danja loatra eto amintsika ny cybersécurité, araka famelabelaran-kevitra teo. Be dia be ny mpanararaotra, be dia be ny orinasa na fanjakana voarahona ao anatin’ny cyberattaque ary be dia be ny very vola rehefa tratry ny cyberattaque sy tsy vonona amin’ny sécurité ny système d’information et de communication”, hoy Mahery Rabarison, Expert en Assistance à Maitrise d’Ouvrage (AMOA). Nambarany fa ny banky na orinasa fampindraman-bola madinika no tena lasibatr’ireo mpandroba (hacker), raha ny tranga hita matetika.
Ra-Nirina