Ho fitrandrahana tomponandraikitra. Olana goavana amin’ny sehapihariana eladrano (Mica) eto Madagasikara ny fampiasana zaza. Miteraka olana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena izany satria fenitra takiana ao anatin’ny fanondranana ny fanajana zon’olombelona. Efa nahitam-bokany ny hetsika nataon’ny fikambanan’ny orinasa mpanondrana eladrano AEPI (Association des Exportateurs des Pierres Industrielles) noho ny fiarahamiasa tamin’ny ONG PACT, tamin’ny alalan’ny tetikasa Madagascar Shines, novatsian’ny departemanta ny asa amerikanin vola. Tsy ahitana zaza miasa eny amin’ny fitrandrahana eladrano ao Taolagnaro, araka ny tombana natao.
« Tao amin’ny faritra Anosy ihany no niasan’ny tetikasa ary ny ny mpanondrana mica ao amin’ity faritra ity ihany no nisitraka izany. Nitombo isa anefa ny mpanondrana eladrano ivelan’ny faritra Anosy, teo anelanelan’ny taona 2023-2024 ary tsapa fa nandringa ny fanadiovana ny sehapihariana satria tsy afaka nisitraka ny tohana avy amin’ny tetikasa ireo ivelan’ny faritra. Nitsiry ny havitra fa havondrona amin’ny toerana iray ny mpanondrana eladrano eto Madagasikara », araka ny fanazavan’i Ibrahim Ahmed, Filohan’ny AEPI. Nikarakara fivoriambe ny AEPI hiresahana ny rafitra sy fenitra eo amin’ny sehapihariana mica, 03 desambra 2024, teny amin’ny Mining Business Center (MBC). Nifanome tanana tamin’ny fanantanterahana izany ireo mpiara-miombon’antoka toy ny ONG PACT, ny fikambanana Responsible Mica Initiative (RMI), ny ONG Terre des Hommes (TDH)… sy ny Ministeran’ny harena ankibon’ny tany. Nanatrika ny fihaonambe ireo mpikambana ao amin’ny AEPI sy ireo mpisehatra amin’ny rojo-pamatsiana eladrano miasa amin’ny faritra hafa eto Madagasikara. « Ilaina ny miray hina amin’ny ady amin’ny tsy fanarahan-dalana. Nahatsapa ny mpikambana fa sehapihariana marefo ny mica noho fahitana tsy fanarahan-dalana. Nalaza erantany fa fitrandrahana mainty, maloto ny mica eto Madagasikara. Nahatonga ny tetikasa Madagascar Shines, novatsian’ny Ministera Amerikanina vola, tamin’ny alalan’ny ONG PACT. Hisandrahaka manerana an’i Madagasikara ny ady amin’ny tsy fanarahan-dalana fa tsy ao amin’ny faritra Anosy ihany mba hadio sy hamirapiratra manerana an’izao tontolo izao ny mica avy eto Madagasikara. Vonona ny AEPI ho fikambanana amin’ny sehatra nasionaly. Hifanampy ara-kevitra, hifampizara traikefa ny mpisehatra ho tonga sehapihariana tomponandraikitra, ara-dalana, manaraka ny fenitra, manaja ny zon’olombelona ny mica eto Madagasikara”, hoy ny Filohan’ny AEPI nanazava ny tanjon’ny fihaonambe.
Nambaran’i Rakotomalala Olivier, Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany fa maro ny fanamby amin’ny sehapihariana mica, toy ny lafiny tsy fanarahandalana izay miteraka fiovan’ny vidiny eo amin’ny tsena iraiam-pirenena sy fiantraikany amin’ny fidiram-bolan’ny mpisehatra. Anisany fepetra takian’ny tsena iraisam-pirenena ny fanajana ny fenitra manomboka any amin’ny fitrandrahana ka hatrany amin’ny fanondranana. “Nanaraka ny fenitra ara-tontolo iainana sy fepetra arak’asa ve ? Sao dia nampiasa zaza tsy ampy taona?”, hoy ny Minisitra. Firenena fahatelo mpitrandraka sy mpanondrana eladrano i Madagasikara. 50.000 ka hatramin’ny 100.000 taonina isan-taona ny mica mivoaka eto amintsika ka alefa any Chine ny 90% amin’izany. Miteraka vola vahiny eo amin’ny 15 tapitrisa ka hatramin’ny 20 tapitrisa dolara isantaona ny sehapihariana mica. Mampiasa olona 10.000 ka hatramin’ny 20.000. Any amin’ny faritra Androy, Anosy, Ihorombe, Atsimo Andrefana no tena ahitana azy. Karazam-bato ampiasaina amin’ny famokarana vokatra hikoloana ny tarehy ( produit cosmetique) ny eladrano. Akora ilaina amin’ny famokarana fitaovana elektronika toy ny finday na fiara, fanamboarana loko ihany koa.
Tohana ho an’ny fianakaviana mpitrandraka
Manampy ny sehatra tsy miankina manana fahavonona hitondra fiovana hiroso amin’ny fitrandrahana tomponandraikitra ny ONG PACT. Mampahafantatra ny mpisehatra ny fenitra irasaim-pirenena sy mampifandray azy ireo amin’ny hetsika iraisam-pirenena mitaky fitrandrahana tomponandraikitra. Mampifandray azy ireo amin’ny tena mpisehatra mampiasa ny eladrano. Manatsara ny sary sy sandan’ny mica avy eto Madagasikara. Eo amin’ny hetsika ara-tsosialy, nanambara i Mirana Rafanomezantsoa Rakotosamimanana , Talen’ny ONG PACT eto Madagasikara fa manampy ireo mpitrandraka eny ifotony, mampahafantatra azy ireo ny fitrandrahana ao anatin’ny aroloza, ny fepetra tokony arahina , hiarovana ny fahasalamana sy ny ain’izy ireo ny fikambanana. Manampy ny tanora 15 taona ka hatramin’ny 17 taona amin’ny fampiofanana arak’asa. Ho an’ny lafiny fanabeazana, manome tohana ho an’ny zaza tsy ampy taona ny fikambanana toy ny fizarana fitaovam-pianarana. Ankoatra izany, mamatsy ara-pitaovana ny sekoly, miantoka ny mampianatra tsy mpiasam-panjakana ary manampy ara-bola ny ray aman-dreny amin’ny fanatsarana ny fampivelarana ny seha-piharian’izy ireo sy ny fari-piainan’izy ireo.
Ra-Nirina