Nandamina ny tetiandro sy ny tetikasa amin’ity taona 2018 ity ny fikambanana Jeune Chambre Interationale (JCI), sampana eto Madagasikara. Nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fotoam-piasan’ny JCI tamin’ny 03 febroary 2018, nandinika ny drafitra ho tanterahina ny mpikambana mba hirosoana amin’ny asa. Continuer la lecture
Auteur R Nirina
CITE Ambatonakanga : 405 mena nilaozan’ny «frein»
Alahady maraina fidirana na firavan’ny mpiangona arakaraka ny fiangonana, manodidina ny tamy 9 ora maraina, no niborotsaka “frein” tampoka ny fiara Peugeot 405 mena iray. Continuer la lecture
ORANGE SCHOOL: Miasa avy hatrany rehefa vita ny fiofanana
Mpianatra 31 nahavita fiofanana momba ny fifandraisana amin’ny mpanjifa (relation-client). Efa nandray ny asany avy hatrany ny ampahany amin’izy ireo taorian’ny fiofanana telo volana. Mbola malalaka ny tsenan’asa raha eo amin’ny sehatry ny “téléopérateur” sy “téléconseiller”. Continuer la lecture
INTEREX MADAGASCAR: Manamora ny fandefasana sy fanafarana entana.
Nitambatra ny TNT sy ny FEDEX. Amin’ny alalan’ny ny orinasa “Interex Madagascar”, nitombo ny firenena ahafahana mandefa na mandray entana. “Firenena 200 manerana an’izao tontolo izao no afaka ampiasana ny tolotra omenay ny mpanjifa”, hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny Interex, Niven Sawmynaden. Continuer la lecture
ZES – ANTSIRANANA : Tongotra mby an-dakana.
Ho tanterahina ny 20 ka hatramin’ny 23 febroary 2018 ny fihaonambe iraisam-pirenena ho an’ny famatsiam-bola stratejika ny faritra Avaratr’i Madagasikara (C2ISNM), andiany faharoa. Continuer la lecture
FAMATSIAM-BOLA: « Fanampiana hanandevozana »
Miverina amin’ny mpamatsy vola ny 60 % ny vola nindramina ankoatra ny famerenana ny vola iray manontolo miampy ny zana-bola. Nambaran’ny mpahay toekarena, Roger RALISON fa ny mpamatsy vola ihany ny mividy ny fitaovana ilaina na ny orinasa vahiny miara-miasa aminy no mahazo ny tsena amin’ny fanatanterahana foto-drafitra asa amina tetikasa iray. Ny 40 % fotsiny no anjaran’ny firenena Malagasy izay mpangataka fanampiana. « Fanampiana hanandevozana ny mitranga eto Madagasikara fa tsy fanampiana mitondra fampandrosoana. Raha tokony ny mpandraharaha Malagasy no tokony hahazo tombony amin’ny tetikasa iray, ireo vahiny indray no migoaka ny tombontsoa amin’izany.
Boka trosa
Tsy miantraika mivantana amin’ny vahoaka ny tetikasam-panjakana nahazoana famatsiam-bola. Nambaran’i Profesora nandritra ny anterivava natao azy fa tokony ny sehatra fototra sy ny faharoa no tena hitadiavana famatsiam-bola. « Mankasitraka ny fanamboarana foto-drafitra asa toy ny hopitaly, lalana, tetezana, sekoly… ny tenako saingy mbola laharam-pamehana ny fanodinana ny vokatra eto an-toerana. Rehefa betsaka ny orinasa mpanodina akora fototra eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana, ny jono, ny harena an-kibon’ny tany…teraka ny famoronan’asa, miditra ny vola vahiny amin’ny fanondranana ireo vokatra voahodina. Zava-mitranga amin’izao anefa tototry ny trosa ny fitondram-panajakana satria tsy misy ny vola hamerenana ny vola nindramina noho ny fidiran’ny entana avy ivelany izay tsy mandoa hetra ka tsy mampidi-bola. Mahatonga izany ny tsy fanodinana vokatra.
Nirina R.
Radio Protestanta: Voatendry ho Tale i Léa Fanihia
Nanatanteraka ny fotoam-bavaka fanaony isaky ny fiandohan’ny taona, natokany ho fiarahabana ireo Raiamandreniny ny Fiombonan’ny Fiangonana Protestantra eto Madagasikara, FFPM, tao Vohipiraisana tamin’ny Alatsinainy 22 janoary 2018. Continuer la lecture
MASOIVOHO AMERIKANA: Mitazona fahatokisan’ny mpifidy ny tamberinandraikitra
« Tsara tantanana ny fanjakana rehefa misy ny tamberinandraikitra », hoy ny Ambasadaoron’i Etazonia eto Madagasikara, Robert Yamate nandritra ny fampahafantarana tamin’ny ofisialy ny boky torolalana « SOSA » momba ny tamberinandraikitra natao ho an’ny olom-pirenena sy ny horonantsary mitantara ny fanamby ataon’ny tanora eto Madagasikara amin’ny fampiharana ny tamberinandraikitra. Continuer la lecture
Fédérations des Eglises Protestantes de Madagascar FFPM De bonnes nouvelles
Comme à l’accoutumé, la passation du fanion de l’œcuménisme inter-protestant s’est déroulé sans tambour ni trompette lundi 22 janvier 2018 à Vohipiraisana, haut lieu du protestantisme à Madagascar. Ce n’était pas un premier lundi comme les onze autres de l’année. Continuer la lecture
TETIKASA LAMINA : Tombony ho an’ny manana olana ara-pivezivezena
Mbola hitohy ny tetikasa fanampiana ireo olona tra-pahasembanana sy ireo manana olana ara-pivezivezena. « Na dia tapitra aza ny tetikasa Lalan-jotra Miaty ny Namana (LAMINA) izay iantsorohan’ny ONG Lalana, hiara-hiasa amin’ny fikambanan’ny olona sembana izahay hanohizana ny fitsinjovana ireo sembana sy manana olana ara-pivezivezena amin’ny fampiasana ny fitateram-bahoaka », hoy ny mpandrindra ny tetikasa, Continuer la lecture











