Socio-eco

BANKY MICROCRED: Niova anarana


Marika vaovao, tolotra mihatsara. Raha tokony ho 4,5 %,  lasa  8 % ny zana-bola azo mandritra ny taona 2018  ho an’ireo  olona manokatra kaonty  tahiry  amin’ity volana febroary ity. Maimaim-poana kosa raha hanokatra kaonty tsotra. Feno 10 taona ny Banky Microcred eto Madagasikara. Ankehitriny, niova ho “Baobab” ny anarany.  Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny 08 febroary 2018 teny Anosivavaka  io fiovana anarana io. “Zava-boahary anisany mampiavaka an’i Madagasikara  ny Baobab. Tsy vitan’ny hoe : manan-danja ara-koltoraly izy ity fa mbola ampiasaina amin’ny fomba  maro samihafa ihany koa. Mifanaraka amin’ny tanjon’ny “Groupe Microcred”  ny lanjan’ny Baobab. Izany nanovana ny anaran’ny banky ho “Baobab”, hoy ny Filoha Tale Jeneralin’ny banky Baobab, Arnaud Ventura.

Mivoatra manaraka amin’ny  rivotry ny fandrosoana ny tolotra omen’ny banky Baobab an’ny mpanjifa toy ny “biométrie, taka loan, ALIP….Ankoatra ny fitehirizana vola sy fampindramam-bola, manana tolotra hafa ihany koa ny Bany Baobab. Hita eny amin’ireo masoivoho 38 manerana an’i Madagasikara izany. Mpanjifa  miisa 164 000  no  efa niditra mpikambana.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *