politique

SENATERA LYLISON: Tsy voatery ho ministra vao afaka mampandroso firenena


Nambaran’ny senatera Lylison René de Rolland fa tsy voatery ho ministra vao afaka mampandroso fa na dia mpamafa làlana aza dia efa mampandroso firenena izany. Samy manana ny anjara tandrify amin’ny fampandrosoana ny tanindrazana ny tsirairay, araka ny fanehoan-keviny manoloana ny fanendrena ny mpikambana ao amin’ny governemanta vaovao izay tarihin’ny praiministra lehiben’ny governemanta Christian Ntsay.

Manantena ny senatera Lylison René de Rolland fa hanatanteraka ny velirano nataon’ny filohan’ny repoblika  ireo mpikambana ao amin’ny governemanta ireo. Miandrandra fampandrosoana ao anatin’ny fotoana fohy rahateo ny vahoaka Malagasy.

Lynda A.


One comment on “SENATERA LYLISON: Tsy voatery ho ministra vao afaka mampandroso firenena

  1. Pingback: SENATERA LYLISON: Tsy voatery ho ministra vao afaka mampandroso firenena - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *