politique

MPIKAMBANA AO AMIN’NY GOVERNEMANTA: Hamadika ny velirano ho fampandrosoana


Ny ampitson’ny fanendrena ireo mpikambana ao amin’ny governemanta vaovao tarihin’i Christian Ntsay ihany dia niroso tamin’ny famindram-pahefana ireo ministra maromaro. Teny niverimberina nolazain’izy ireo ny fanatontosana ny programan’ny filohan’ny repoblika. Eo ihany koa famadihana ny velirano ho fampandrosoana ary hisy vokatra ao anatin’ny fotoana fohy. Notanisain’ireo ministra ihany koa ny laharam-pamehana ho an’ny ministera tsirairay izay mifanaraka amin’ny vinan’ny filohan’ny repoblika.

Omaly zoma 25 janoary 2019 teo no niroso tamin’ny famindram-pahefana ny ministry ny tontolo iainana teo aloha Venance Guillaume Randriatefiarison sy ny ministra vaovao Alexandre Georget. Loha-laharana ho an’ity ministera ity ny fanafoanana ny kolikoly, ny fanafoanana ny fanondranana ny harem-pirenena antsokosoko ary tsy misy famindram-po ho an’ireo mpanondrana antsokosoko ny zava-boahary eto Madagasikara toy ny sokatra, ny hazo sarobidy.

Manomboka amin’ny herinandro ambony iny kosa ny ministeran’ny indostria, ny varotra ary ny asa tanana no handamina asa, araka ny fanazavan-dramatoa ministra Lantosoa Rakotomalala nandritra ny famindram-pahefana teo aminy sy ny ministry ny indostria teo aloha, Guy Randrianarisoa. Nambarany fa hiova tanteraka ny fomba fiasa satria hisy ny tomban’ezaka ahafahana mandrefy ny hakingan’ny ministera ary tsy asiana resaka ankolafin-kery intsony ny fitondrana ny firenena.

Nohamafisin’ny ministry ny ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy Hajo Andrianainarivelo nandritra ny famindram-pahefana teo aminy sy ireo ministra teo aloha dia ny ministry asa vaventy Ulrich Andriatiana sy ny ministry ny fanajariana ny tany, Christine Razanamahasoa fa asa goavana ny miandry ity ministera ity satria misahana ireo foto-drafitr’asa nampanantenain’ny Prezida Andry Rajoelina tamin’ny fifidianana izay nampihomehy ny sasany . “Hamadika ho hita maso ny vinan’ny filohan’ny repoblika ny ministera (…) Ho porofoina amin’ny asa ny fampandrosoana”, hoy ny ministra Hajo Andrianainarivelo. Santionany amin’ireo ministera nanatanteraka ny famindram-pahefana ihany ireo voalaza ireo. Mbola hitohy androany ny famindram-pahefana ho an’ireo ministera mbola tsy nahavita izany. Mpiara-miasa akaiky ny filoham-pirenena sy ny mpikambana ao amin’ny governemanta ary ny mpiasan’ny ministera rehetra. Noho izany samy tompon’antoka ireo toko telo ireo amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Sao any aoriana any hahilika any amin’ny filoham-pirenena ireny ny rihatra.

Lynda A.


One comment on “MPIKAMBANA AO AMIN’NY GOVERNEMANTA: Hamadika ny velirano ho fampandrosoana

  1. Pingback: MPIKAMBANA AO AMIN’NY GOVERNEMANTA: Hamadika ny velirano ho fampandrosoana - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *