Socio-eco

FIANARANA AMBARATONGA AMBONY: Mampiakatra fari-piainana


Efa namoaka olona ambony nitàna andraikitra lehibe teto amin’ny firenena toy ny ministra, praiministra sy ny maro tsy voatanisa ny fianarana ambaratonga ampitan-davitra CNTEMAD. Porofo izany fa avo dia avo ny kalitaon’ny fampianarana, hoy ny tale jeneralin’ity fianarana ambaratonga ambony miankina amin’ny fanjakana ity, Djohary Andrianambinina nandritra ny fifampiarahabana nahatratry ny taona an’ny mpiasan’ny CNTEMAD omaly 31 janoary 2019. Nohamafisiny fa fampiakarana ny fari-piainana ny fianarana ambaratonga ambony. Fomba iray handresena ny fahantrana noho izany ny fanohizana ny fianarana eny amin’ny oniversite satria ahazoana teknika hifehezana sehatra iray. Noresahana nandritra ny fihaonan’ireo mpiasan’ny CNTEMAD manerana ny Nosy ny tomban’ezaka tamin’ny taona 2018. Tsara ny voka-panadinana tamin’iny taona iny ary nitombo ho 18.000 ny mpianatra. Manaporofo ny hatsaràn’ny kalitaon’ny fampianarana ao amin’ny CNTEMAD izany, hoy hatrany ny fanazavan’i Djohary Andrianambinina. Mbola mikaroka ny fomba rehetra hanatsarana sy hanitarana ny ivon-toerana mba hitondra tombontsoa ho an’ny rehetra hatramin’izao ity fampianarana fampitan-davitra ity. Marihina fa nozaraina tamin’io fotoana io ny mari-pankasitrahana an’ireo mpiasa 12 nahavita be tamin’ny fampandehanana ny ivon-toerana.

Ahitan-draha ity fiainana ity. Ao ireo tsy nandia fianarana akory kanefa manana asa fivelomana sy miroborobo fatratra ery. Misy kosa anefa ireo nandalo ny fianarana ambaratonga ambony saingy tsy mbola mahita asa hatramin’izao na ihany koa miasa fa tsy mifanaraka amin’ny diplaoma hananana ny asa atao. Sary hita eny amin’ny fiarahamonina ihany koa ny fanamboarana diplaoma sandoka mba hahazoana toerana ambony. Tsara ihany ny mampatsiahy fa na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy ho tratra amin’ny fanaovana an’io diplaoma sandoka io ary ho faizin’ny lalàna amin’izay fotoana izay. Manginy fotsiny ny fahafaham-baraka ho azo.

Lynda A.


One comment on “FIANARANA AMBARATONGA AMBONY: Mampiakatra fari-piainana

  1. Pingback: FIANARANA AMBARATONGA AMBONY: Mampiakatra fari-piainana - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *