Socio-eco

ADY AMIN’NY KOLIKOLY: Nahitam-bokany ny ezaky ny fitondram-panjakana


Nahavita ezaka ny firenena Malagasy momba ny ady amin’ny kolikoly tamin’iny taona 2018 iny raha ny indice de perception de la corruption (IPC) navoakan’ny  transparency International no jerena.  Raha nitàna ny laharana faha- 157 amin’ireo firenena 180 i Madagasikara tamin’ny taona 2017 dia niakatra eo amin’ny laharana faha-152 ny firenentsika tamin’ny 2018 amin’ny resaka kolikoly, araka ny IPC-2018 izay nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly 29 janoary 2019. Nahazo salan’isa 25 amin’ny 100 i Madagasikara raha ny IPC 2018 no jerena raha toa ka 24 ny salan’isa tamin’ny 2017. Raha miakatra salan’isa dia mihena ny tahan’ny kolikoly ao amin’ny firenena iray. Mifanohitra amin’izay kosa raha midina ny salan’isa. Mitàna ny laharana voalohany amin’ny firenena ahitana taha ambany amin’ny kolikoly i Danemark (88/100). Firenena faran’izay ahitana taha ambony indrindra amin’ny kolikoly kosa i Somalie (10/100), araka ny tarehimarika nomen’ny transparency international initiative Madagascar (TI-IM).

Ezaka

 “Naneho ny fahavononan’ny  fitondram-panjakana ny fametrahana “pôle anti-corruption” (PAC). Adina voalohany handrefy ny fahavononan’ity fitondrana vaovao ity ihany koa ny fandaniana ny lalàna momba ny fanagejàna ny fananana azo tamin’ny tsy ara-drariny mba entina iadiana amin’ny kolikoly fa indrindra hanafoanana ny tsy maty manota”, hoy ny filohan’ny TI-IM, Alex Rafamantanantsoa. Anisany nitarafana ny ezaky ny fitondram-panjakana nahatonga ny fisondrotan’ny laharan’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny kolikoly ihany koa fitomboan’ny teti-bola natokana amin’ny ady amin’ny kolikoly. “Raha jerentsika ny paik’adim-pirenena dia tokony hatratra 0, 30 % ny volam-panjakana hiadiana amin’ny kolikoly amin’ny taona 2025. Efa 0,20 % ny fatran’ny vola nomena ireo rafitra rehetra miady amin’ny kolikoly toy Bianco, Fitsarana, Samifin, CSI tamin’ny 2018”, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny biraom-pirenena mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco), Andriamifidy Jean Louis. Nambaran’ny tale jeneralin’ny Bianco fa mandeha mizotra arak’izay eritreretana azy ny fanatanterahina ny paik’adim-pirenena na dia misy aza ny fahataràna toy ny fandaniana ny lalàna fototra. Anisany nahatonga io fahataràna io ihany koa ny tsy fisian’ny finiavana politika fa lasa resaka fotsiny izay mandeha rehetra, araka ny fanazavany.

Lynda A.


One comment on “ADY AMIN’NY KOLIKOLY: Nahitam-bokany ny ezaky ny fitondram-panjakana

  1. Pingback: ADY AMIN’NY KOLIKOLY: Nahitam-bokany ny ezaky ny fitondram-panjakana - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *