Sport

ASIEF: Tsy ho ela ny andiany manaraka


Naroso  ny daty hanatanterahana ny fifaninanana ara-panatanjahantena ho an’ny mpiasam-panjakana ho an’ity taona 2019 ity. Ao anaty ny fanomanana tanteraka ny fikambanana ASIEF (Association Sportive Interministérielle pour l’Entretien des Fonctionnaires) amin’ny fikarakarana izany. Nambaran’ny filohan’ny ASIEF, Andrianarison Jean Aimé Botosera na John Love fa ny 2 martsa 2019 ho avy izao no hanomboka ny lalao. Zava-baovaoamin’ity andiany ity ny fampitomboana ny taranja handraisan’ireo mpiasam-panjakana anjara. “Niampy enina ireo taranja hifaninanana. Lasa 19 izany ny fitambaran’ny taranja iraisana sy ho an’olon-tokana”, hoy i John Love.
Mpiasam-panjakana 12.000 no nandray anjara tamin’ny fifaninanana ara-panatanjahantena nokarakarain’ny ASIEF tamin’ny herintaona. Manantena ny mpikarakara fa ho tafakatra 16.000 izany amin’ity taona 2019 ity. “Vao ny 25 % ny mpiasam-panjakana io tarehimarika andrasana io”, hoy ny filohan’ny ASIEF. Izany indrindra no antom-pisian’ny fikambanana mba hamporisihana ny mpiasam-panjakana hikolo ny vatany sy ny fahasalamany amin’ny alalan’ny fanatanjahantena. Nohamafisin’ny filohan’ny ASIEF fa fanafody tsy vidiam-bola ny fanatanjahantena. Raha tsy salama mpiasam-panjakana dia tsy hiodina ny asam-panjakana. Ho fanamafisana ny famporisihana sy fanentanana ny mpiasam-panjakana no antony hikarakarana lalao tahaka itony mba ahafahan’ireo mpiasam-panjakana mampiasa ny vatany fa tsy mijanona ao anaty birao fotsiny ihany, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Ankoatra ny fikoloana ny fahasalamana dia fitaovana iray hanadiovana ireo mpiasam-panjakana matoatoa ny ASIEF.

Lynda A.

Horonan-tsary


One comment on “ASIEF: Tsy ho ela ny andiany manaraka

  1. Pingback: ASIEF: Tsy ho ela ny andiany manaraka - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *