Socio-eco

ZON’NY VEHIVAVY : Manohana ny vehivavy ho lasa mpandraharaha ny fikambanana Porte Bonheur


Mbola tsy misitraka ireo zo fototra mitovy amin’ny lehilahy  ny vehivavy malagasy raha amin’ny  sehatry ny asa noresahana. Ahitana tsy fitoviana ohatra ny karaman’ny lehilahy sy vehivavy kanefa asa mitovy no atao. Mihoatra 37 %  amin’ny karaman’ny vehivavy no azon’ny lehilahy, araka ny tarehimarika  nivoaka tao tranokalan’ny Afrobarometer  (fikambanana panafrikana mpanao  fanadihadiana sy fitsapan-kevitra momba ny hevitry ny daholobe) ny  taona 2024.  Manana zo hiasa ny vehivavy ary tokony hitovy ny fitondrana ny vehivavy sy lehilahy amin’ny sehatry ny asa, ao anatin’izany ny karama.

Randriantsoa Razaka Mireille, Filohan’ny fikambanam-behivavy Porte Bonheur

Randriantsoa Razaka Mireille, Filohan’ny fikambanam-behivavy Porte Bonheur

“Tsy mbola misitraka ny zo mitovy amin’ny lehilahy ny vehivavy malagasy raha amin’ny sehatry ny asa no resahana. Raha « tale » ohatra  no resahana dia tsy  tokony atao ambony kokoa ny  karama raha lehilahy ary atao amban’izay ny an’ny vehivavy”, hoy i Randriantsoa Razaka Mireille, Filohan’ny fikambanam-behivavy Porte Bonheur, nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy, ny 8 martsa 2025, teny amin’ny kaominina Alasora.   Mifantoka amin’ny fanamafisana  ny zo, ny fitoviana ary ny fahaleovantena ho an’ny vehivavy  sy ny zavavavy   manerantany ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy. Fampiofanana  ny vehivavy hanana toetsaina mpandraharaha sy  momba ny toetsaina tokony hananan’ny vehivavy iatrehana ny fiainana andavanandro no nanamarihan’ny Porte Bonheur izany.

«  Tsy ampy ny orinasa hampiasa antsika Malagasy rehetra.  Ny fandraharahana ny vahaolana ka tsara raha manana  toetsaina mpandraharaha. Dieny mbola kely ny zanatsika dia tokony beazina hanana toetsaina mpandraharaha, hiasa tena”, hoy  i Beantanana Annick, mpampianatra  ao amin’ny  oniversite ISCAM, nasain’ny fikambanana hampiofana ireo vehivavy ao Alasora. Nambarany  fa tokony sehatra voafehy no atao  raha te handraharaha. “Zavatra tiana sy voafehy no atao, fantarina ny mpanjifa hivarotana azy ary  atomboka tsikelikely sy tsy matahotra rehefa handraharaha. Ny fandraharahana dia asa maharitra ela fa tsy tahaka ny bizina, indray mandeha dia mipoaka. Noho izany, tsy maintsy mamoaka vola  vao mampidi-bola ka mila faharetana”, hoy i hatrany  Beantanana Annick.

Ny sehatra  ahitana tsy fitoviana eo amin’ny maha lahy sy maha vavy

 Nanasa mpampiofana matihanina  momba ny fampandrosoana ny maha olona  na “développement personnel” ihany koa ny fikambanana Porte Bonheur tamin’ny fankalazana ny 8 martsa 2025. Ny toetsaina tokony hananan’ny vehivavy iatrehana ny fiainana andavanandro no noresahana tamin’izany. “Nosafidiana ny lohahevitra  développement personnel mba ahatsapan’ny vehivavy fa misy toetsaina  sy toe-po tokony hananana iatrehana ny fiainana andavanandro. Nampianarina momba ny fahatokisan-tena, ny fahafantarana ny maha izy azy  sy  ny fahatsapana  ny lanjan’ny tena  ireo vehivavy eto Alasora”, hoy i Randriantsoa Razaka Mireille, Filohan’ny Porte Bonheur. Nofaranana tamin’ny fialamboly  sy dihy ny hetsika nokarakarain’ity fikambanana ity. Marihina fa miompana amin’ny fanamafisana  ny andraikitry ny vehivavy sy ny zazavavy amin’ny sehatry ny teknolojia sy ny fanavaozana   (DigitALL: Innnovation and technologiy for gender equality) no lohahevitra noraisin’ny firenena mikambana hankalazana ny andro irasaim-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy ho an’ny taona 2025. Ho an’i Madagasikara, mbola ambany ny tahan’ny fitoviana eo amin’ny maha lahy sy maha vavy satria mitana ny laharana faha-84 amin’ireo firenena 144, araka ny tondro iraisam-pirenena. Ahitana elanelana  ohatra  ny fahafahana misitraka ireo zo fototra toy ny fanabeazana, ny faahsalamana… Tsy mahay mamaky teny sy manoratra ny 55,8 % ny vehivavy, 15 ka hatramin’ny 43 taona, ao Menabe raha toa ka 26,7 % ny tahan’izany amin’ny lehilahy, araka ny tarehimarika navoakan’ny Banky iraisam-pirenena.  Fanampin’izany, 30,8 % ny zazavavy monja, 11 ka  hatramin’ny 17 taona no afaka  mamita  ny fianarany eny amin’ny ambaratonga faharoa. Mbola manana  olana ihany koa ny vehivavy sy zazavavy amin’ny fisitrahana ny zo hahazo fitsaboana momba fahasalaman’ny reny, ny fahasalamana ara-pananahana. Vehivavy telo (3) amin’ny 4 ihany koa no iharan’ny herisetra, araka ny tatitra navoakan’ny Banky iraisam-pirenena hatrany.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *