Socio-eco

TSENAN’NY KARBAONINA : Mila mahafantatra ny zony sy ny tombontsoany amin’izany ireo fokonolona sy “mponina hafa fomba fiaina”


Anisany mitahiry  etona karbaonina be indrindra eto Afrika sy manerana an’izao tontolo izao ny tanin’ireo  « mponina hafa fomba fiaina » na « peuples autochtones » (PAs) sy fokonolona  na vondron’olona ifotony (Communautés Locales na CLs), araka ny fikarohana nataon’ny Right and Ressources Initiatives (RRI) na fivondronamben’ny fikambanan’ny CLs sy PAs ary ireo taranaka afrikanina. Ahazoana  tombontsoa ny tsenan’ny karbaonina kanefa mila mahafantatra  misimisy kokoa momba izany ireo PAs sy CLs eto Afrika : inona izany tsenan’ny karbaonina izany ? Inona avy ny antontam-baovao tokony hananan’izy ireo momba io tsena io ? Inona avy ny zon’izy ireo amin’izany ? Iza no misahana izany ? Inona ny fitsipika sy lalàna iraisam-pirenena sy nasionaly momba izany? Mikarakara atrikasa fampiofanana ho an’ny mpampiofana momba ny tsenan’ny karbaonina sy famarotana “credit” karbaonina eto Afrika ny RRI sy Sehatra Iombonana ho an’ny Fananantany (SIF) Mampiantrano izany i Madagasikara. Nanomboka ny voalohany volana oktobra ary hifarana ny 3 oktobra 2024, eny amin’ny Radisson Blu Ambodivona ny atrikasa. Solontenan’ireo  fokonolona sy mponina hafa fomba fiaina,  firaisamonim-pirenena, fikambanana sy mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola avy amin’ny firenena afrikanina am-polony, toa an’i Kenya, Libéria,  Ouganda, Tanzanie, République de Congo, Gabon, Sierra Leone ary i Madagascar no mandray anjara amin’ny fiofanana.  “Mba ahafahan’ny mpandray anjara mahafantatra mismisy kokoa izany atao hoe tsenan’ny karbaonina izany ity atrikasa ity. Hofanina ho mpampiofana izy ireo mba hitarika any amin’ny firenena misy azy amin’izay lohahevitra izay, mandray andraikitra sy mitarika ny fokonolona any an-toerana, mampahafantatra  ny ambana na olana na tombontsoa aterak’izany”, hoy i Soavinalahatra Nasolo Harijery, tomponandraikitra ara-teknika ao amin’ny SIF, nandritra ny fanofakana ny atrikasa.

Nambaran’i Kipalu Patrick, Tale misahana ny fandaharan’asan’ny RRI eto Afrika fa  be dia be ny tetikasa azo avy amin’ny tsenan’ny karbaonina ary misy fiantraikany amin’ny tanin’ireo PAs sy CLs afrikanina. Araka ny fikarohana navoakan’ny RRI dia 11 %  ny tany eto Afrika fotsiny no voafaritra ara-dalàna fa an’ny PAs sy CLs kanefa nanambara ireo vondron’olona ireo  fa azy ireo ny tany manodidina ny 80 % eto amin’ny kaontinanta ary ny tany misy azy ireo, na eto Afrika na manerana an’izao tontolo izao, no tena mitahiry ny karbaonina be indrindra. “Mila  mahafantatra ny momba io tsenan’ny karbaonina io ry zareo mba  ahafahan’ izy ireo mahalala ny zony  sy ny tombontsoa mifandray amin’izany sy mandray fanapahan-kevitra tsara mialohan’ny hidirana amin’ireo tetikasa mahazo famatsiam-bola amin’ny alalan’ny tsenan’ny karbaonina”, hoy izy. Ao anatin’ny paikady iadiana ny fiovan’ny toetrandro ny tsenan’ny karbaonina. Amin’ny maha tsena azy dia misy  mpividy sy mpivarotra. Ireo orinasa na firenena mamoaka etona mandoto be loatra no mpividy io karbaonina io ho fanonerana ny loto navoakany ary ireo fikambanana na orinasa na firenena manana ala arovana na tetikasa amin’ny fampiasana angovo madio no mpivarotra.  Nanamafy i Soavinalahatra Nasolo Harijery fa ho fiarovana sy famerenana ny laoniny ny rohivoahary ny tsenan’ny karbaonina sy famarotana “crédit” karbaonina ary misy resaka tany ao anatiny. “Ohatra mahazo famatsiambola hanao fambolen-kazo, tokony hisy fiarovan’ny zo fananantany an’ireo fokonolona voakasik’izany fa tsy hoe lasa fitaovana hanafoanana na tsy irarahiana ny zo fananantan’ilay olona eny ifotony indray ny fahazoana famatsiambola avy amin’ny tsenan’ny karbaonina”, hoy izy. Efa misy orinasa eto Madagasikara nahazo famatsiam-bola avy amin’io tsenan’ny karbaonina io, araka ny fanazavany.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *