Manana ny maha izy azy ny sary hosodoko malagasy vokatry ny sintona nateraky ny kolontsaina maro niditra sy nivoatra teto Madagasikara. Nanoratra boky momba ny sary hosodoko malagasy, nanomboka tamin’ny fiandohany, nandritra vanim-potoana faha-mpanjaka, ka hatramin’ny taona 1940 i Andrianetrazafy Hemerson, mpahay tantara momba ny kanto. Naverina natonta ny boky nosoratany mitondra ny lohateny “La peinture malgache, construction d’une identité picturale”, 30 taona aty aoriana nivoahany ny boky voalohany, ny taona 1991. Nampahafantarina ny alakamisy 12 desambra 2024, teny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka izany. Mbola ny « Foi et Justice » ihany no namokatra ny boky. Nanampy tamin’ny famerenana fanotana azy kosa ny Fonds Yavarhoussen, tamin’ny alalan’ny vatsi-pikarohana Yavarhoussen, niaraka tamin’ny fiarahamiasa tamin’ ireo komity siantifika, ahitana an’i Profesora Andrianaivoarivony Rafolo – manam-pahaizana manokana momba ny arkeolojia sy vakoka, Profesora Rajaonah Faranirina – mpahay tantara sy mpampianatra eny oniversite Antananarivo ary Rasoarifetra Bako, Mpikaroka eo anivon’ny “ Institut de Civilisation – Musée d’Art et d’Archéologie”, eo ambany fiadidian’ny Oniversite an’Antananarivo. Ahitana pejy 200 isa ity asa soratra ity.
Nampidirina tao anatiny ireo antontan-kevitra vaovao, hita tamin’ny alalan’ny fikarohana, miaraka amin’ny sary marobe. Voaraikitra ao anatin’sangan’asan’i Andrianetrazafy Hemerson ny haitao, ny fomba nentim-paharazana momba ny sary hosodoko, ny fivoaran’ny teti-panorina nataon’ireo mpanao sary hosodoko noho ireo sintona na tsindry nateraky ny kolontsaina nifandimby niditra teto Madagasikara. Miresaka momba ireo mpanao hosodoko malagasy voalohany, toa an’ Rajesy, Rahamefy Samuel, Rainimaharosoa James sy ny sangan’asan’izy ireo ihany koa ny mpanoratra. Takelaka vaovao ao anatiny “ny tontolon’ny hosodoko eto Antananarivo: ireo mpanakanto, mpampiofana, mpanohana vazaha”. “Ny faran’ny taonjato faha-19 dia nisy Misionera iray sady mpanao mari-trano nampiofana zatovo am-polony. Ireo no voarikitra ho mpanakanto malagasy mpanao hosodoko, toa an’i Rajesy, Rainimaharosoa James. Teo anelanelan’ny1930-1940, nisy ny fiovan’ny fomba rafitra faneho satria niditra taty ny fivoaran’ny hosodoko”, hoy i Andrianetrazafy Hemerson miresaka ny votoatin’ny asa sorany.
Boky fahafito nahazo tohana avy amin’ny Fonds Yavarhoussen izy ity. “Hampamiratra ny kanto sy ny kolontsaina malagasy, ao anatin’izany ny hosodoko sy ampahafantarina ny taranaka faramandimby no tanjon’ny Fonds Yavarhoussen voalohany. Noforonina ny vatsi-pikarohana Yavarhoussen mba hanohanana ny famoahana boky miresaka momba ny tantaran’ny kolontsain’ny firenena satria ny soratra no mitoetra. Noho nyy fiarahamiasa amin’ny mpanoratra sy ny mpanota boky dia nanampy tamin’ny fanontana ny boky nosorotan’i Andrialavidrazana Malala izay naranty tany Tokyo izahay. Naverina natonta ny sangasan’i Rabearivelo Jean Joseph, Rabemananjara Jacques (poeta Malagasy), ny taona lasa teo”, hoy Razafimandimby, Tomponandraikitra ao amin’ny Fonds manazava ny vatsi-pikarohana Yavarhoussen. Nanamafy i Rasoarifetra Bako fa mila tohanana ny mpanoratra. Efa azo jifaina eny amin’ny trano fivarotam-boky manerana ny Nosy (Il était une fois Ankorondrano, Lecture et Loisirs/Samourai Tana Water Front, Librairie Md Paoly Analakely, Espace loisir Antaninarenina) , amin’ny vidiny 80.000 Ariary ny sangan’asan’i Andrianetrazafy Hemerson.
Ra-Nirina