Socio-eco

NINA NOVELAS, SPORT PREMIUM, M6 MUSIC: Ao anatin’ny bouquet Startimes 22.000 Ariary


Ao anatin’ny fanamarihana ny ny fahadimy taonany sy noho ny fetin’ny Paska dia nanapa-kevitra ny Startimes ny hampidina ny vidin’entana sy hanatsara hatrany ny tolotra omena ny mpanjifa. Ho an’Antananarivo, lasa  45.000 Ariary ny décodeur TNT izay mandeha amin’ny antenne tsotra raha toa ka 50.000 Ariary teo aloha. Amidy 60.000 Ariary kosa ny “décodeur satellite” raha toa 80.000 Ariary izany teo aloha. Ho fanampian’izay dia nitombo dimy ny châines ao amin’ny Bouquet Smart na Classic nanomboka ny alakamisy voalohany ny volana aprily 2021.“Nanatevin-daharana io bouquet 22.000 Ariary io ny Nina Novelas izay mandefa ireo tantara bresilienne anisany tsara indrindra. Eo ihany koa ny Sport Premium izay anarahana mivantana ny lalao Laliga. Hita ao ihany koa ny M6 Music, Star Life”, hoy i Zafera Joyce, tomponandraikitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny daholobe ao amin’ny Startimes Madagasikara.

Fotoana mamy

Ankoatra izany dia manana tolora manokana ny Startimes noho ny fetin’ny Paska. “Raha ohatra efa anatin’ny  Bouquet Basic/Smart ka manao abonnement roa volana dia mahita ireo chaînes rehetra ao amin’ny  bouquet amboniny mandritra ny roa volana. Raha bouquet Super na Classic ka mandoa abonnement  roa volana  dia mahazo folo andro maimaimpoana amin’ny abonnement », hoy i Zafera Joyce. Nambaran’ny tale jeneralin’ny Startimes,  Julien Jin fa ny ahafahan’ny besinimaro misitraka ny televiziona nomerika no tanjon’ny Startimes.  “Dingana hirosoana amin’izany izao fampidinana ny vidin’ny décodeur sy ny fampidirana chaînes  vaovao izao mba hitombo ny Malagasy hihanoka fotoana mamy miaraka amin’ny ankohonany amin’ny alalan’ny fijerena televiziona”. Marihina fa ny lalao rehetran’ny  Euro 2020  izay hanomboka  ny 11 jona  2021 ka aharitra iray volana dia azo jerena amin’ny Startimes.

Ra-Nirina.


One comment on “NINA NOVELAS, SPORT PREMIUM, M6 MUSIC: Ao anatin’ny bouquet Startimes 22.000 Ariary

  1. Pingback: NINA NOVELAS, SPORT PREMIUM, M6 MUSIC: Ao anatin’ny bouquet Startimes 22.000 Ariary - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *