Socio-eco

FIFANINANANA WIKICHALLENGE : Lasan’ny sekoly moana sy marenina ADSF avy eto Madagasikara ny fitaovam-pianarana mitentina 5.000 Euros


Tamin’ny alalan’ny vakodrazana no nandrombahan’ny ankizy teto Madagasikara tao amin’ny sekoly moana sy marenina ADSF avy eto Antananarivo ny loka voalohany ny « WikiChallenge » 2021. Fitaovam-pianarana mitentina 5.000 Euros no azon’izy ireo. Laharana faharoa kosa ny ankizy avy any amin’ny repoblika demokratikan’i Congo tao amin’ny sekoly ambaratonga voalohany A, Matonge, nanao ny « Malewa » ary fahatelo ny ankizy tao amin’ny sekoly ambaratonga voalohany Bandia any Senegal, nampisehoany famokarana tantely any Bandia. Miisa 100 ireo sekoly nandray anjara tamin’ny fifaninanana « WikiChallenge » tamin’ity taona 2021 ity. Marihana fa ny mpitsaran’ny Fondation Orange aty afrika no nifantina ireo telo nahazo ny loka iraisam-pirenena ireo.

Ankoatra izay dia nisy ny loka nasionaly roa, izay azon’ny EPP Ilafy, fitaovam-pianarana mitentina 2.000 Euros ary 1.000 Euros azon’ny EPP Maibahoaka. Lakandranon’ny Pangalane no nahazoan’ny EPP Ilafy ny loka ary Fantsiolitsa ny an’ny EPP Maibahoaka

Ny fikambanana Wiki In Africa no nikarakara ny fifaninana « WikiChallenge ». Ny taona 2017 no nanombohan’izy ireo ny fifaninanana. Natokana ho an’ny mpianatra 9 ka hatramin’ny 13 taona amin’ny sekoly nomerika izay sahan’ny Fondation Orange aty afrika izy ity. Natao mba ho famporisihana ireo mpianatra hizara ny fomba fijeriny ny manodidina azy. Ny mpianatra amin’ny sekoly nomerika dia afaka mizara sy mianatra mandefa ny fiainan’izy ireo ao amin’ny «  Vkidia ».

Nanomboka ny taona 2014 ny orange solidarté Madagascar no nanangana ireo sekoly nomerika manerana faritra 22. Efa  miisa 156 no isan’izy ireo ankehitriny.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *