Tsy mbola sahy miresaka manodidina ny fananahana amin’ny zanany ny ankabeazan’ny ray aman-dreny. Fady ny miresaka izany hoy ny eny amin’ny fiarahamonina. Kanefa hiankinan’ny hoavin’ny tanora ny fahasalamana ara-pananahana. Tsy andraikitry ny ray aman-dreny irery kosa anefa ny miresaka izany. Tokony ho hampitaina eny an-tsekoly izany satria eny ny androatokom-piainan’ny ankizy. Ny fanabeazana ara-pananahana feno dia anisany misoroka ny vohoka tsy irina, misoroka ny fampitsaharana vohoka an-tsokosoko sady tsy voaaro, ny aretin’ny firaisana ara-nofo toy ny VIH/SIDA…Iarahana mahalala fa mbola nahaton’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena anefa izany araka ny naoty ny 2023 – 862/Men/SG ny 7 Novambra 2023. Tsy miraviravitanana anefa ny mpisehatra amin’ity resaka fahasalamana ara-pananahana feno ity fa nikarakara fifanakalozan-kevitra tamin’ireo tanora ny « La coalition Forum Génération Egalité SDSR Madagascar » ao anatin’ny FGE (Forum Génération Egalité), teny Antaninarenina ny 26 martsa 2025. Nahitana tanora amin’ny fikambanana, mpisehatra sosialy eny anivon’ny fiarahamonina, manam-pahaizana momba ny fananahana ara-pahasalamana, mpahay lalà na. Betsaka ny olana sy sakana hoy i dokotera Tifana Marie Ange, manam-pahaizana momba ny fananahana ara-pahasalamana. Mila mifampiresaka ny rehetra hoy kosa i Ramparaoelina Tendry, mpikambana ao amin’ny Coalition Santé et Droits Sexuels et Reproductifs (SDSR Madagascar).

Ireo mpisehatra nitondra sy nifampizara ny resaka fanabeazana ara-pananahana feno
Mpanao gazety : Aiza ho aiza isika eo amin’ity fanabeazana ara-pananahana feno ity ?
Dokotera Tifana Marie Ange : Maro ny olana. Eo ny hoe : fady ny miresaka fananahana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka. Samihafa ny fanabeazana azo. Ny zavatra ilain’ny tanora tsy sahin’ny mpisehatra sasany milazaina ny tena izy. Ny mpisehatra amin’ny fahasalamana sasany manome tsiny ny tanora rehefa tonga any izy, tsy aretina anefa ny nandehanany any fa fanontaniana. Eo amin’ny sehatry ny fampianarana tsy sahy miditra lalina loatra ny mpampianatra fa matahotra sao tenen’ny mpianatra fa maloto fisainana (vicieux). Lasa tsy voaresaka tsara noho izany.  Ohatr’ izay daholo ny sehatra rehetra. Amin’ity resaka fananahana ity dia betsaka ny hazavaina. Tsy midika fa firaisana ara-nofo ny fananahana fa fanehoana ny maha olona, toy ny ara-batana, ara-tsaina, ara-pihetsehimpo, ara-tsosialy sy ara-piarahamonina.
Mpanao gazety : Inona ny antony nikarakarana ity fifanakalozan-kevitra ity ?
Ramparaoelina Tendry : Misy ny olana amin’ny tsy fisian’ny fanabeazana ara-pananahana feno, ilaina ny fifampiresana eo amin’ny tanora sy hiainona azy ireo. Tsy mitovy amin’ny taloha intsony ny iainan’ny tanora amin’izao fotoana izao. Adisisika amin’ny tokony hisian’ny fanabeazana ara-pananahana feno eny an-tsekoly.
Nisy resaka teo hoe : tokony hisy ny fanabeazana eny anivon’ny fianakaviana izay tena tsara be sy amporisihana ny ray aman-dreny hiresaka an’izay fa ny ankamaroan’ny ray aman-dreny izay manana ny kolon-tsainy manana ny lanjany eto amin’ny firenena dia tsy sahy miresaka fananahana.
Mpanao gazety : Inona ny vahaolana ?
Ramparaoelina Tendry : Fisian’ny fanabeazana ara-pananahana feno eny an-tsekoly.
Mpanao gazety : Ambaratongam-pampianarana inona no azo hanaovana izany fanabeazana ara-pananahana feno izany ?
Ramparaoelina Tendry : Na eny amin’ny ambaratonga voalohany dia afaka mandray izay fanabeazana ara-pananahana feno satria manomboka eo amin’ny fahaenin-taonany ny zaza raha ny ao amin’ny « directoire ny UNESCO » dia efa afaka mandray izay fiofanana izay. Izany hoe arakaraka ny taonan’ny zaza ny fahalalana ampitaina aminy. Tsy mitovy noho izany ny fahalalana omena ny zaza enin-taona sy ny tanora 17 taona fa misy sahaza ho an’ny tsirairay ny fanabeazana ara-pananahana feno.
Maniry ny fahalalana feno ireo tanora momba ny fananahana nandritra ity fifanakalozan-kevitra ity. Ahafahany mandray fanampahan-kevitra amin’ny tenany sy hitsinjovany ny hoaviny. Fanirian’ny mpikarakara ny hiverenan’ ny fanabeazana ara-pananahana feno eny an-tsekoly satria ilain’ny tanora.
Ra-Nirina