Auteur R Nirina


SALON DES ETUDES INTERNATIONALES: Ny fomba hahazoana diplaoma any ivelany kanefa mijanona eto Madagasikara


Fampahafantarana ho an’ireo tsy mahalala. Efa marobe ireo mpianatra nahita tombontsoa tamin’ny «Salon des études internationales» ary efa nahavita ny fianarany ambaratonga ambony tany ivelany. Manomboka androany 05 martsa ary hifarana rahampitso 06 martsa 2020 ny andiany faha-11 amin’ity hetsika karakarain’ny Mada Jeune ity ary niova kely ny toerana satria eny amin’ny Novotel Convention Alarobia. Continuer la lecture


RAZAKA MPAMPIHAVANA: Nitangoronan’ireo namany


Teny amin’ny trano fonenan’i MAMAFI Kissinger, tamin’ny asabotsy voalohan’ny volana febroary 2020 no nisehoan’ity fiarahana ity. Ny hoe MAMAFI dia Malagasy Mankafy Fiainana. Tsy fifampiarahabana tratry ny taona no anton’ny fety na dia mbola fotoana fifanaovana izany aza izao. Tsy fihaonan’ny tantsambo tranainy koa na dia maro tamin’izy ireo aza no tsikaritra teny. Tsy fihaonan’ny mpianakavy, satria azo nisaina tamin’ny rantsan-tanana ny fianakaviana hita teny.

Fihaonan’ny samy mpinamana fotsiny

Ny tena marina dia fiaraha mifaly sy fampihaonana nataon’I MAMAFI Kissinger ho an’ireo namany amin’ny sehatra samihafa. Ankoatr’ireo izay efa voatanisa etsy ambony dia tao koa ny mpiara-miombona antoka aminy eo amin’ny sehatry ny asany ao amin’ny CFM. Tsy diso anjara tamin’izany ny sakaiza mahatoky ao amin’ny haino aman-jery, sy ny maro hafa tsy voatanisa. Raha fintinina dia ireny tapaka sy namany ireny no tiany ho hita miaraka ka ampifankalalaina koa sy hananany fifandraisana eo amin’izy samy izy. Olona tsy nila fampihavanana akory ireo, fa tiany hanana fifandraisana eo amin’izy samy izy, hifamatotra ho mpinamana vaovao.

Toy ny korana rehetra dia nisy ny fiaraha mizara ny manta sy ny masaka. Tsy toy ireny amin’ny hotely lehibe fisakafoanana ireny akory, fa sakafon’ny mpianakavy tsotsotra ihany. Vary sy laoka fotsiny, ary na dia ny sotrobe fandoharam-bary sy fandoharan-daoka aza dia tsy nisy mpitantana manokana fa samy naka izay metimety aminy tao anaty vilany. Nisy ny fiaraha miala hetaheta araka izay tian’ny tsirairay sy zakany,  tsy nisy ny mofomamy mahazatra. Ny voankazo koa no nanaranam-po.

Sarim-pianakaviana no  nalaina alohan’ny hisian’ny sasantsany izay tsy maintsy niainga alohaloha, ka hitanao eto ny soritry ny fifaliana, ny hamaroan’ny olona, ary angamba koa ny hafanan’ny andro izay nanomboka nidanika.

Raha samy mitondra namana hafa koa  izy ireo amin’ny manaraka dia ho feno ny tanàna


HAKANTO CONTEMPORARY: Mamoha ny fitiavan’ny ankizy ny zava-kanto sy ny kolontsaina


Fanoitra ho an’ny fampandrosoana ny zava-kanto sy ny kolontsaina. Raha tsy hiresaka afa-tsy i Chine isika dia anisany nampivoatra haingana ity firenena ity ny fanomezana lanja ny kolontsaina niandohany. Tao aorinan’ny fisokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fampirantiana Hakanto Contemporary eny Café Mary, Galerie Alhambra, Ankadimbahoaka dia nisy  mpianatra amin’ny EPP avy eny amin’ny kaominina Ambohijanaka tonga nitsidika ity fampirantina ity. Continuer la lecture