Socio-eco

ADY AMIN’NY COVID-19 : Hitondra ny anjara birikiny ny Fiangonana Loterana Malagasy


Hifandrombonana ny ady handresena ny coronavirus. Tsy nitazan-potsiny ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM ) amin’izao ady amin’ny aretina covid-19 izao fa hitondra ny azony atao. Hisy tohana sy tosika ary fanampiana ho an’ireo olona marefo manerana ny nosy amin’ireo dispansera sy toby masina sahanin’ny FLM.  « Aleo misoroka toy izay mitsabo na dia miteraka olona aza ny fihibohana atao ankehitriny » hoy Drokotera Rakotonirina David, filohan’ny FLM. Mifantoka amin’ny fisorohana ny COVID 19 izao hetsika ataon’izy ireo izao ka ny SALFA ( Sampan’Asa Loterana momba ny FAhasalamana) no nomena ny andraikitra hanao izany mba tsy hianaka any amin’ny faritra ny coronavirus. Hanao fananentanana  amin’ireo fitaovan-tserasera amin’ireny faritra ireny izy ireo. Hizara ny maska natao ho an’ny tomponandaikitra izay mikarakara ny marary na eny amin’ny toby fifohazana na ny eny amin’ny SALFA. Omena savony kosa ireo ao amin’ny toby mba hiarovana amin’ny aretina ary ho entina hampianarana azy ireo. Tsy manana sakafo ho zaraina ny FLM fa hanome Spiruline izay fanampi-tsakafo (complément alimentaire) mba afahan’ireo olona manana hery enti-miatrika ity aretina hita maneran-tany ity. Olona marefo tsy misy pahita indrindra ny ao amin’ny toby ka betsaka amin’izy ireo no tsy manana antenaina intsony.  Ireo no iantefann’y hetsika voalohany izao. Nanamarika ny filohan’ny FLM ity fa azo atao ny manemotra ny paka amin’ny faran’ny volana Aprily ka tokony hanaraka ny fepetra lazain’ny fanjakana ny mpino FLM. Marihana fa sampana iray ao amin’ny FLM ny SALFA ary 50 mahery manerana ny nosy.

Efa nitondra ny paikadiny tamin’ny Prezidàn’ny repoblika ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM ) hiatrehana izao valanaretina hita maneran-tany izao.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *