Socio-eco

ADY AMIN’NY CORONAVIRUS: Miray hina amin’ny fanohanana ny mpiasan’ny fahasalamana sy ireo kaominina ny Orange Madagascar


Tsy miady irery. Zava-dehibe ho an’ny orange Madagascar ny fanohanana ireo mpiantsehatra fototra misahana ny ady atao amin’ny coronavirus eto Madagasikara. Orange Madagascar - covid 19 1Nanolotra fitaovam-piarovana sy fitaovam-pitsaboana ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana miasa amin’ireo hopitaly efatra eto Antananarivo: centre hospitalier universitaire (CHU) Befelatanana, Anosiala Manarapenitra Andohatapenaka ary hopitalin-jazakely Ambohimiandra ny Orange Solidarité ny 18 aprily 2020. Nanome kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro ho an’ny kaominina an’Antananarivo renivohitra, Fianarantsoa, Toliara, Antsiranana, Mahajanga, Toamasina, Fenoarivo Atsinanana ho fanampiana ireo sahirana ihany koa ity fikambanana miahy ny maha olona ity.

 « Manohana ny fanjakana malagasy, ireo mpiasan’ny fahasalamana rehetra eny anivon’ny hopitaly sy toeram-pitsaboana, ny mpitandro filaminana ary ireo mpisehatra rehetra amin’ny ady atao amin’ny coronavirus eto Madagasikara ny Orange”, hoy ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar, Michel Degland.

Orange Madagascar - covid 19 3Naterina teny amin’ny CCO na Centre de Commandement Opérationnel Covid-19 eny Ivato ireo fanampiana ireo izay ahitana: « 12 000 masques, 10 000 paires de gants latex, 10 000 paires de protèges chaussures, 10 000 calots, 2 000 Flacons gel désinfectant, 4 machines à laver avec 400 sachets de savon, 4 poubelles 120 L avec 200 sacs poubelle, 10 bouilloires,  50 kits literie : draps housse + draps de dessus et couvertures,  50 kits d’hygiène Orange Madagascar - covid 19 2: serviette de toilette – savonnette et dentifrice, 10 T de riz, 100 sachets de 1 Kg de sucre, 100 bouteiiles de 1L huile, 175 kg (35×5) Chlore, 175 Kg (35×5) Eau de jav, 160 L (20×8)  Pulvérisateur ». Nandray izany ny filohan’ny CCO, ministry ny atitany Razafimahefa Tiana niaraka tamin’ny ministey ny fahasalamam-bahoaka Ahmad Ahmad, ireo tale misahana ny CHU Befelatanana, Anosiala, Manarapenitra Andohatapenaka ary ny hopitalin-jazakely Ambohimiandra.

NIrina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *