Fotoam-pivavahana no nanombohan’ny kandidà ho ben’ny tanàn’Ampitatafika Rado Ramparaoelina avy amin’ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM ) ny fampielezan-keviny androany 05 Novambra 2019. Continuer la lecture
Auteur R Nirina
LALAON’I NIGER SY MADAGASIKARA : Mangataka fiaramanidina manokana amin’ny fanjakana ny FMF
Hifandray tanana sy hifanampy indray ny malagasy amin’ny lalao ihaonan’ny ekipa-pirenena Malagasy, Barea, amin’i ekipa-pirenena Etiopiana, Walya (Bouquetin d’Abyssinie) ny 16 Novambra 2019 etsy Mahamasina ao anatin’ny fifanintsanana ho any amin’ny CAN 2021 atao any Cameroun ny volana Jona sy Jolay 2021 . Continuer la lecture
OPEN INTERNATIONAL BMOI – MADAUTO : Handrefesana ny fivoaran’ny fahaizan’ny mpilalao tennis malagasy
Manatsara ny tontolon’ny taranja tennis eto Madagasikara ny fikarakarana fifaninana iraisampirenena. Nanomboka ny taona 2012 no efa nanohana ny « Open International » ny BMOI. Lalao karakarain’ny Country Club miaraka amin’ny ligin’ny tennis Analamanga izy ity. Tanterahina ny 5 ka hatramin’ny 10 novambra 2019 ny andiany fahafito. Nambaran’ny Filohan’ny Country Club, Rakotonindriana Josoa nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety ny 31 oktobra 2019 fa atao isan-taona ny Open International mba hampivoarana tennis eto Madagasikara. Manampy amin’ny fandrefesana ny fahaizan’ny mpilalao eto an-toerana ny fifandonana amin’ireo sangany any ivelany, hoy izy. Mampatsiahy ny tale jeneralin’ny BMOI, Merlot Alain fa manohana taranja tennis ny banky izay tantaniny satria mifototra amin’ny fenitra takiana amin’ny mpilalao, ohatra hentitra, marina, manome ny tsara indrindra, ny tolotra omeny ny mpanjifa.
Mpilalao
Ho an’ny sokay tokana, 32 ny mpilalao lehilahy hifaninana ary 16 ny vehivavy. Valo ny lehilahy ho any sokajy ho an’olon-droa ary miisa valo ihany kosa ny vehivavy. Nisy fanomanana ireo mpilalao malagasy ka ireo sangany tamin’ny fifaninanana natao ny volana septambra no nifantenana handray anjara amin’ny Open International. Valo ny lehilahy sangany tamin’ny fifaninanana: Njaka Randriamalala, Tsilavina Joharimboahangy, Max Fontaine, Louis Leccia, Thierry Solofonomenjanahary, Dimitri Rabeson, Evah Angelo Tanjondray, Roméo Rakotomalala Roméo. Efatra ny vehivavy: Miarana Andrianafetra, Fikasana Rakotomalala, Ravaka Ramantoaniana et Fitia Andrianafetra. Hanatevin-daharana ireo mpilalao malagasy hafa toa an’i Miary Zo Rakotondramboa, Tsiorisoa Rakotoarilala, Valentin Jerome, Jean Luc Cirotte (wild cards); Sariaka Radilofe, Iariniaina Tsantaniaina, Miora Andrianatoandro, Fitia Ravoniandro, Safidisoa Nomenjanahary, Miora Raolison (dames), Randy Rakotoarilala, Matina Razafimahefa ( wild cards) izy 12 mianadahy ireto. Ankoatra azy ireo dia nanasa mpilalao malagasy milalao any ivelany ihany koa ny mpikarakara. Amin’ny maha fifaninanana iraisampirenena azy dia nanasa mpilalao sangany avy any Argentine, France, La Réunion ary Italie ihany koa ny Country Club. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra, mitentina 12 tapitrisa Ariary ny loka ho zaraina ho an’ireo mendrika indrindra.
Nirina R.
NID DESIGN: Mikarakara hetsika hampihaonana ny orinasa sy ny mpitady asa
Marobe ny orinasa mitady mpiasa, marobe ihany koa ny mpitady asa kanefa tsy mahita. Continuer la lecture
COUPE DE CONFEDERATION 2019/20 : Nanaiky ny fahareseny ny RS Berkane
« Kely fa teknisiana ny ekipan’i Fosa Juniors ». Continuer la lecture
SKYLINE NGO: Lasan’i Épistolier ny loka goavana tamin’ny Bright Top III.
Ho fanomezana sehatra ny tanora Malagasy ny fifaninanana Bright Top III. Continuer la lecture
RAJERISON NICOLE VERONIQUE: Mitovy fomba fijery amin’ny kandida Andriantsitohaina Naina
Lavitry ny fandrosoana i Iarivo ka mila avadika ny pejy. Continuer la lecture
ORANGE MONEY – BDC: Ho mora ny fandefasana vola avy any Comores manketo Madagasikara
Kômôriana 200.000 isa no mivezivezy sy monina eto Madagasikara amin’izao fotoana raha ny tarehimarika nomen’ny tale ara-barotry ny Orange Money eto Madagasikara, Tovomanitra Rakoto. Continuer la lecture
CARRIERE AMBOHIJANAKA: Hampiakatra ny raharaha eny amin’ny fitsarana ireo mpitrandraka
Tsy manaiky ny fanesorana azy eo amin’ny toerana hiasany ny koperativa Orimbato Lovasoa sy Rindrimbato Fanantenana mitrandraka vato eny Ambohijanaka. Continuer la lecture
FIAROVANA NY MPITSOA-PONENANA: Mbola taraiky i Madagasikara
Tsy ratsy foana ny resaka mpitsoa-ponenana. Manavotra ny ainy sy mitady fiarovana izy ireny matoa mandao ny fireneny. Olona mitsoaka ady na fanenjehana noho ny finoany, firazanany, ny vondrona misy azy, ny heviny ara-politika no antsoina hoe: mpitsoa-ponenana. Continuer la lecture











