politique

KONGRESY NASIONALIN’NY ANTOKO HVM: Nijoro ireo tapa-poroana sisa tsy may


Tsy ny anio ihany ny fiainam-pirenena. Nanamafy ny maha antoko velona azy ny HVM (Hery Vaovao an’i Madagasikara) na dia tsy henoheno aza taorian’ny fifidianana filohampirenena tamin’ny 2018. Tamin’ny alalan’ny kongresy nasionaly notontosaina ny 09 novambra 2019 teny amin’ny foibeny Andraharo no nanamarina izany. Nahatonga solontena avokoa ny faritra 22. Raha atambatra dia 300 ny isan’ireo mpizaika. Nandritra io kongresy io ihany koa no nanavaozan’izy ireo ny biraon’ny antoko. antoko HVM 1Mijanona ho filoham-boninahitra Rajaonarimampianina Hery, prezidàn’ny repoblika teo aloha, mpandrindra nasionaly,  Rakotovao Rivo, Sekretera nationaly kosa Mohamed Rachidy ary ireo filoha lefitra amin’ny ireo faritany enina. « Mitaiza ny mpanao politika ao aminy ny antoko HVM mba hitazona ny etika amin’ny maha antoko-politika azy. Mbola nanadio ny trano may izahay, nijery ireo tapa-poroana sisa tsy may no antony tsy naheno anay nandritra izay 10 volana izay », hoy ny mpandrindra nasionaly. Mandala ny « socialisme libérale » ny antoko. Tanjona ny hampitovy ny ara-tsosialin’ny vahoaka ary ny fahafahana amin’ny maha olona. Mieritreritra ny olona fa fahalemena ny mamela ny olona alalaka nandritra ny dimy taona nitondran’ny Prezidà Hery Rajaonarimampianina. Ho mpanohitra ny HVM raha toa ka fanjakana manavakavaka sy mampizarazara ny malagasy noho ny hevitra tsy mitovy, fanjakana hiaro ny olona manokana na vondron’olona manokana ka tsy hamela ny fandrarahana hilamina…Manaja ny fisaraham-pahefana ny antoko fa tsy manaiky kosa ny fitsabahana any amin’ny raharaham-pitsarana…Misokatra ho an’ny rehetra ny antoko fa takiana kosa ny tsy maintsy hanajana ny etika sy ny fitsipika mifehy ny antoko.antoko HVM 2 Aleo manana kely tsaratsara toy izay be tsy andraofana. Betsaka ny vita ary ny efa vita mbola tokanana hatramin’izao, tsy azo totofana ny marina, 0% ny tahan’ny harikarena faobe tamin’ny 2014 ary 5% tamin’ny niala teo amin’ny fitondrana ny antoko HVM. Ao anatin’ny taona maro ho avy, hisesisesy ny fitokanana ny ezaky ny Filoha teo aloha Rajaonarimampianina Hery. « Efa manomboka fantatry ny vahoaka ny zava-bita na nolazaina aza fa tsy nanao na inona na inona ny fitondrana HVM », raha ny hafatra notenenin’ny Filoha teo aloha. Lesoka ny tsy fahaizana nanao « communication »  kanefa aleho tsy mahay toy izay mahay nefa mandainga, hoy ny mpandrindra nasionaly.

Na dia tsy nanatrika ny fivoriana aza ny Filoha mpanorina ny antoko dia novakiana ampahibemaso ny hafatra tiany ambara. Santionany tamin’izany ny filazany fa « betsaka ny zava-bita » tamin’izy teo amin’ny fitondrana saingy maro ny lainga nafafy nentina namolavolana ny saim-bahoaka. Nambarany ihany koa fa maro famatsiambola azo ka ao anatin’ny taona maro dia hotokanana ny vokatr’izany. « Soa ihany fa betsaka ny marivo tototra », hoy izy. Miaiky ihany koa anefa izy fa betsaka ny lesoka ka « hifonantsika amin’ny vahoaka malagasy izany ».

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *