Socio-eco

SALON DE L’ETUDIANT ET DE L’EMPLOI : Manoro lalàna ny mpianatra tsy ho diso safidy


Mampihena ny tahan’ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony mitsoaka an-daharana. 25 % ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony no mitsoaka an-daharana noho ny tsy fahaizana misafidy ny lalam-piofanana. Hany ka very vola sy fotoana. Ho fanampiana ny tanora vao afaka bakalorea sy ireo mbola te hanohy ny fianarany eny ambaratonga ambony tsy ho diso safidy ny “salon de l’étudiant et de l’emploi” karakarain’ny MCU (Maison de la Communication des Universités) . Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy androany 13 novambra 2019 teny amin’ny lalana mandalo eo amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny andiany voalohany ary tsy hifarana raha tsy ny 15 novambra 2019. 30 ny mpandray anjara izay ahitana oniversite miankina amin’ny fanjakana sy tsy miankina, trano fivarotam-boky sy ny maro hafa.  Nambaran’ny tale jeneralin’ny MCU, Fanjarivo Symonette Pascaline fa  mifanaraka amin’ny iraka nanirahan’ny ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa dia ny fampihaonana ny mpianatra, ny mpandraharaha, orinasa ny hetsika tahaka izao. Eo ihany koa ny fanomezana fampianarana tsara kalitao satria oniversite nahazo fankatoavana avy amin’ny ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ireo mpandray anjara. Nohamafisin’ny ministry ny fampianarana ambony, Blanche Nirina Richard nandritra ny fanokafana ny hetsika fa azo antoka ny fahazoana asa rehefa mahay misafidy ny lalam-piofanana. Ankoatra ny fampirantiana dia hisy ny famelabelaran-kevitra hiresahana lohahevitra maro isaky ny tolakandro, atao eny amin’ny Tahala Rarihasina.

Raha ny tarehimarika nomen’ny ministra dia 40 % ny mpianatra afaka bakalorea no tsy manohy  ny fianarana ambaratonga ambony. Ao anatin’ny paikadin’ny fitondram-panjakana  ny fanamboarana oniversite isam-paritra mba ho maro an’isa ny tanora mianatra eny amin’ny anjerimanontolo. “23 ny ho eritreretina ho atao”, hoy izy.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *