Nosazian’ny fitsarana ambony Antananarivo tamin’ny didy nivoaka ny 17 Aogositra 2022 mandroaka an’ny Fikambanana TSARAFARA, ny Vondron’Olona Ifotony (VOI) mitantana ny ala eny TSiazompaniry sy handoha honitra 10.000.000 ariary ho an’ny olon-tokana izay milaza fa tompon’ny ampahan-tany 30 ha. Tafiditra ao anatin’ny tany tantan’ny VOI ity. Maro ireo foto-drafitrasa, asa fanajariana, fanorenana sy fambolen-kazo nataon’ny fikambanana TSARAFARA anatiny sy manodidina. Taorian’io didy nivoaka io dia nampiakatra ny raharaha tamin’ny 22 Novambra 2022 teo anivon’ny Fitsarana fandravana didy. Narahina fametrahana fitarainana nataon’ny « Contennement des Eaux et Forêts » ny volana Jona 2023 mba handravana ny io didy io. Andrasana amin’ny 8 Oktobra 2024 izao ny fanampahan-kevitry « délibération » ny Fitsarana fandravana didy.
Misy akony eo amin’ny fikambanana TSARAFARA sy ny ezaky ny VOI mpandray anjara anatin’ny fifanarahana famindram-pitantanana ireo harena voajanahary eto Madagasikara ity tranga iray ao Tsiazompaniry ity. « Misy fiantraikany amin’ny fiarovana ny ala voajanahary raha toa ka resy ny fikambanana TSARAFARA satria vavahady hidirana ao anatin’ny ala voajanahary io toerana io », hoy i Andriafara Mahery, filohan’ny fikambanana TSARAFARA. Eo ihany koa ny resaka fizahantany satria
Notanteraha ny 09 Martsa 2004 ny fifanarahana famindram-pitantanana ny ala Analatsarafara izay ahitana ny sombin-tany Andriankely amin’ny fikambanana TSARAFARA ao amin’ny fokontany Manandriana, kaominina Ambohimiadana, Distrikan’Andramasina. Niarahana tamin’ny ministeran’ny rano sy ala nosoloin’ny fileavam-paritra ny rano sy ny ala ny fifanarahana. Io fifanarahana io dia navaozina ny 23 novambra 2010 rehefa vita ny tombana ary nahazahoan’ny fikambanana fe-potoana 10 taona ary ny fanavaozana farany ny 21 desambra 2021 ho an’ny fe-potoana farany.
Ny volana jona 2019 no nametraka fitorina tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany tao Ambatolampy ny olo-tokana milaza fa tompon’ny tany 30 ha ao Andrianakely ao anatin’ny faritra tantanin’ny fikambanana TSARAFARA. Nilaza io olon-tokana io fa tompon’ny tany izay nohajarian’ireo ray aman-dreniny tany aloha ary nilaza ihany koa fa ny fikambanana TSARAFARA dia nanao fanajariana anatin’ny taniny. Namoaka didy ny fitsarana ambaratonga voalohany tamin’ny 09 novambra 2020 nanafoana ny fangatahan’io olon-tokana io. Toy izao no antony nanafoanana izany : tsy ao anatin’ny faritra tantan’ny VOI TSARAFARA Andriankely fa ao anatin’ny toeran-kafa antsoina hoe Tsarahonenana izay tsy tafiditra velively ao anatin’ny faritra tantan’ny fikambanana TSARAFARA. Tsy nisy ny fanorenana ofisialy noraketina an-tsoratra nataon’ilay olon-tsotra nandritra ny fanaovana ny fombafomba tamin’ny fanatanterahana ny famindram-pitantanana.
Ra-Nirina