Nanatanteraka hetsika fampandriana fahalemana ny faritra Sofia, indrindra ny distrikan’Antsohihy manoloana asan-dahalo sy halatr’omby ny vondrontobimpileovan’ny zandarimaria Sofia miaraka amin’ny vatan-dehilahy miisa 500 ny herinandro lasa teo. Omby 300 no tratra tao amin’ny kijana fanefanana omby maloto tao Betomendry. Toerana fieren’ny fianakavian’ i Jerison, Franklin, Freddy sy namany, jiolahy raindahany, io toerana io , araka ny fanazavan’i Kolonely Lys Odon Randriamidona, komandin’ny vondrontobimpileovan’ny zandarimaria Sofia. Nambarany fa mbola mitohy fitadiavana ireo olona ireo. Efa mandeha famotorana momba ireo famotsiana omby halatra ka efa misy ny voasambotra, anisan’izany ny lehiben’ny fokontany ao Betomendry.
Ho averina amin’ny tompony ireo omby ireo ary efa misy amin’ireo fokonolona no efa nahita ny azy. “Entanina ireo very omby ka tsy mbola nahatafaverina ny mba ho tonga aty Betomendry ka hitondra ny filazam-baovao , ny bokin’omby,…mba ahafahana manao ny contrôle izay atao tsy ho ela”, hoy i Kolonely Lys Odon Randriamidona, ny zoma 18 oktobra 2024. Efa misy ny komity miaraka tomponandraikitra eny ifotony, toy ny ben’ny tanàna, ny tompon’omby, ny mpitandro filaminana, manao fanadihadiana ireo omby ao anatin’ny vala famonjana mba ahafahana mamerina azy amin’ny tompony tsy ho lasan’ny olonkafa indray. Nanomboka ny zoma 18 oktobra teo ny fanarahamaso ireo omby mba ahafahana mamerina azy amin’ny tompony. Marihina fa nisy ny fivoriana niarahan’ny solombavambahoaka voafidy tao amin’ny faritra Sofia sy ny Organe Mixte de Conception (OMC) eo anivon’ny distrika sy ny OMC an’ny faritra ny alakamisy 17 oktobra 2024. Nodinihina tamin’izany ny fanohizana ny ezaka fampandriana fahalemana ao amin’ny faritra Sofia.
Ra-Nirina