Sport

CAN 2022 ATSY CAMEROUN: Lalao 51 handeha mivantana amin’ny Startimes


Nahazo alalana handefa mivantana ny lalao iadiana ny tompondakan’i Afrika – CAN 2022 atao atsy Cameroun ny Startimes. Lalao 51 no handeha mivantana amin’ireo chaîne momba ny fanatanjahantena. Ho tantaraina amin’ny fiteny malagasy ao amin’ny GasyStar ihany koa ny lalao 21 amin’ireo, manomboka any amin’ny fanokafana ny lalao ka hatrany amin’ny dingan’ny famaranana. Chaîne 100 % malagasy miresaka momba ny fanatanjahantena sy kolotsaina ny GasyStar ho fanomezana fahafaham-po ny mpankafy fanatanjahantena malagasy.  “Ankoatra ny fitantarana amin’ny teny malagasy dia hisy ihany koa ny fandaharana mitondra ny lohanteny  ho “Les experts” iarahana amin’ny Maître Rôrô, Serge Rasanda  ary Rakotoharimalala Mirado. Hamintina ny zava-misy mialoha, mandritra ary aoriana ny lalao mandritra ny CAN  izy ireo”, hoy i Zafera Joyce, tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny Startimes Madagasikara, ny 7 janoary 2022 tetsy Ankorondrano. Manomboka ny 9 janoary ka hatramin’ny 6 febroary ny CAN andiany faha-33. Any Cameroun no hanatanterahana azy. Cameroun sy Burkina Faso no hanokatra ny lalao. Manomboka amin’ny bouquet 22.000 Ariary no ahitana ny CAN ary azo arahina amin’ny application Startimes ON manomboka amin’ny vidiny amin’ny 1200 Ariary.

Na dia mihatsara hatrany aza ny fandaharana hita ao amin’ny Startimes dia mitsinjo ny fahefa-mividin’ny tokantrano ity orinasa ity. Ahafahan’ny tsirairay hitsitraka ny televiziona nomerika rahateo no fanambiny amin’ny alalan’ny fanomezana tolotra zakan’ny rehetra. Tsy miova ny vidin’ny décodeur azo ampiasaina eto Antananarivo fa mijanona ho 45.000 Ariary, efa misy abonnement amin’ny bouquet Basic, ahitana chaînes 60 isa, mandritra ny iray volana. Mijanona ho 60.000 Ariary ihany koa ny décodeur satellite azo ampiasaina manerana ny Nosy ary efa misy bouquet super ahitana 120 chaînes ho jerena mandritra ny iray volana ao anatiny.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *