Socio-eco

RAHARAHA VOLAMENA 49 KILAO: Mifanerasera mivantana amin’ny ministeran’ny fitsarana ao Comores fitondram-panjakana malagasy


Ho tsotra kokoa ny dingana arahina amin’ny fampodiana an-tanindrazana ireo teratany malagasy voarohirohy tamin’ny fanondranana antsokosoko volamena 49 kilao noho fifanarahana ara-pitsarana misy eo amin’i Madagasikara sy Comores. “Ao anatin’io fifanarahana  ara-pitsarana io no mametraka  ny procédure d’extradition simplifiée, izany hoe ny fangatahana olona iray mety ho enjehina ara-keloka dia tsy voatery manaraka ny procédure ara-diplomatika mahazatra amina firenena tsy hananana fifanarahana fa tsotra kokoa”, hoy Tale jeneralin’ny ministeran’ny fitsarana ny 6 janoary 2021. Nambarany fa afaka mifandray mivantana ny ministeran’ny  fitsarana malagasy sy kaomorianina noho io “accord bilateral” io. Tamin’ny 12 novambra 1976 no nosoniavina ity fifanarahana teo amin’ny firenena roa tonta ity. Ankoatra ireo Malagasy tratra tamin’ity trafika ity dia kaomorianina 3 ihany koa no nampidirina am-ponja voanjimaika ny 5 janoary 2022.

Nohamafisin’ny Ministry ny fitsarana Imbiki Herilaza fa miaro ny harem-pirenena ny fitondram-panjakana malagasy. “Tsy hanaiky mihitsy ary hiezaka hamerina eto an-tanindrazana ny olona  heverina nanao tsy mety na ny hamerina ny harem-pirenena ny fitondram-panjakana”, hoy izy. Ny ampitsony ny fahatrarana ireo volamena tao Comores dia efa nandefa ny “demande d’extradition” an’ireo teratany Malagasy ho tsaraina eto Madagasikara  ny ministeran’ny fitsarana malagasy. “NY 29 sy ny 30 desambra dia efa efa tonga teny am-pelantanan’ny manam-pahefana ara-pitsarana sy ny raharaham-bahiny ireo antontan-taratasy avy aty amin’ny ministeran’ny fitsarana”, hoy hatrany Imbiki Herilaza. Efa nanokatra fanadihadiana  momba ity raharaha ity ihany koa ny PAC (Pôle Anti-Corruption)  sy ny  Bianco. Nilaza ny ministry ny fitsarana fa “tsy maintsy fantarina hoe avy aiza no nialan’ny volamena tratra tany Comores, iza avy no tomponandraikitra amin’izany na tomponandraiki-panjakana raha nisy? “Tsy miteny aho hoe nisy izany fa fanadihadiana ataon’ny Bianco sy PAC no ahafantarana an’izany”, hoy izy. Ho taterina amintsika eto hatrany  ny fivoarany ny raharaha.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *